Tranga

Fanaovana hosoka : voatazona am-ponja ilay zandary

Nolavin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny zandary iray, ny zoma 28 jolay teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faha-21 jona, noho ny halatra sy fampiasana marika ana orinasa mpanao simenitra iray tsy nahazoana alalana no nahavoampanga azy. Vokany, niakatra teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, […]

Fakana an-keriny : maty voatifitry ny zandary i Salama

Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Anjozorobe, afakomaly. Lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary Vohilena, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 5 aogositra teo. Nikasa haka an-keriny tao amin’io kaominina io ihany, naharay angom-baovao ny zandary avy eo anivon’ny kaompania Imerina […]

Fandehanana mafy : mpitondra moto maty tsy tra-drano

Saika isan’andro ny ahenoana loza ahafatesan’olona vokatry ny fampiasana moto. Noho ny fandehanana mafy hatrany ny ankamaroan’izany. Namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy ny raim-pianakaviana iray 76 taona nitondra moto, tao amin’ny fokontany Ambihi­bolabe, kaominina Amboasary Gare, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy tafavily fiolanana, nifatratra tanaty tatatra ilay mpitondra moto. […]

Nanolana zaza miisa roa : naiditra am-ponja ilay talen’ny EPP

Zaza roa kilasy T2 niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataona talen-tsekoly iray. Naiditra am-ponja ilay nahavanon-doza, afakomaly. Natolotra ny fampanoavana tao Ambatondra­zaka, naiditra am-ponja ny talen’ny EPP iray nahavanon-doza tamina vehivavy miisa roa, afakomaly. “Efa nataony talohan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra miisa roa io tranga io saingy nisy fiantraikany ara-pahasalamana tamin’ny iray tamin’ireo […]