Tranga

Fanafihana tsy tanteraka: dimy lahy naiditra am-ponja eny Antanimora

Dimy lahy mpidoroka sady mpivarotra rongony naiditra eny Antanimora, omaly. Nikasa hanao fanafihana ny telo lahy. Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’An­ta­ni­mora ny dimy lahy vokatry ny fivarotan-drongony mahery vaika eto an-dRe­ni­vohitra sy ny manodidina. Na­ha­ray fitarainana avy amin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena fa misy andian-dehilahy midoroka sady mivarotra karazan-drongony “Skunk” […]

Lonilony : lehilahy voatondraka asidra

Notondrahan’ny tovolahy iray asidra ny zazavavy kely tokony ho 2 taona monina etsy Anosibe, afakomaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Ni­ditra tampoka tao an-tokantranon’ ireto olona ireto izy ary nanondraka asidra avy hatrany ilay zaza, mbola nofahanana sa­kafo. Niaro azy ny rain’ilay zaza ka nitobaka tany aminy avokoa […]

Atsimontsena-Antsirabe : tovolahy matin’ny herinaratra

Nanandranandran-doza, lehilahy 21 taona main’ny herinaratra ka namoy ny ainy tao Atsimontsena, kaominina Antsi­rabe Renivohitra, ny talata 12 novambra teo. Andalam-panam­boarana ny trano iray tao amin’io fokontany io. Andian-tovolahy niakatra teny amboniny. Takatry ny tanana, araka izany, ny tariby mitondra herinaratra. Nanao kisarintsarina sangy hilalao ilay taribin-jiro tamin’ny namany anefa […]

Nanapoizina ankizy… : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambodiaramy, kaominina ambanivohitr’i Tsivan­giana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Voarohirohy ho tompon’an­toka tamina fanapoizinana ankizy 6 taona ity lehilahy ity ka antony nahatonga ireo fokonolona tao an-toerana nanao fitsaram-bahoaka. Na­hazo antso avy amina olona iray ny zandary avy […]

Norobain’ny roa lahy nisaroN-tava : mpianatry ny CEG voafira antsy

Ankizivavy 14 taona, mpianatry ny CEG Sahavoay, niharan’ny herisetra nataona roa lahy tao Mandritsara, afakomaly. Nirava avy nianatra hamonjy fodiana, nandeha irery io ankizy io. Nanatona azy ny roa lahy nisaron-tava. Nandroba ny kitapo teny amin’ilay ankizivavy tao Ambohimahavelona. Nitondra zava-maranitra ireo mpandroba ka naratra ny tanan’ilay lasibatra. Niantso vonjy […]