Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranombarotra tetsy Ankadindratombo. Mpiambina iray tao amin’ilay tsenambarotra ihany no tompon’antoka tamin’ny asa ratsy. Ny alarobia teo, nanafika tao amina tsena iray tao an-toerana izy telo lahy. Tsy nisy nisaron-tava, nitondra fitaovam-piadiana ary nitaky ny vola tamin’ny mpiasa. Teo an-toerana […]
Tranga
Tsy navela hanao baolina : maty nananton-tena i Jean Antonio
Naleony namoy ny ainy ! Hita faty tao Ambalavotaka Masomeloka, manamorona ny Lakandranon’i Pangalana, omaly, i Herinaina Jean Antonio, ankizilahy 12 taona. Voalazan’ny fampitam-baovao marim-pototra avy amin’ny zandary ao Masomeloka, handeha hilalao baolina hiaraka amin’ny namany izy ny alarobia maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Tsy navelan-dreniny, Antoine Emilienne, handeha […]
Mosavy tamin’ny vola : «Notapahako tamin’ny antsibe ny tanako», hoy i Albertho
Nitantara ny nanjo sy ny antony nahatonga azy sahy nanapaka ny tanany havia tamin’ny antsibe tao Antsarakofafa Toamasina, i Albertho. Nilaza izy fa mosavin’olona no nahatonga ny fery tsy nety sitrana teo amin’ny tanany… Nandritra ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morafeno Toamasina no nilazany ny zava-nisy marina, […]
Ambolokandrina : Jiolahy tratra teo am-pamelomana moto anaty garazy
Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly misasakalina, teny Ambolokandrina, ny jiolahy raindahiny amina halatra. Voarohirohy ho nangalatra tao amina garazy iray eny an-toerana izy. Roa lahy izy ireo no niditra tao amin’ity garazy fitoerana moto an’olona iray mipetraka eny Ambolokandrina ity. Henon’ny tompon-trano anefa izy roa […]
Fanararaotana : tratra ilay nanolana zazavavy 13 taona
Nihidy aman-trano, voatery namoha an-keriny ny trano fonenan’ny lehilahy iray ny renim-pianakaviana tao Amboasary, fokontany Andratsiolona, kaominina Andilana avaratra, distrikan’ Amparafaravola, ny sabotsy teo, tamin’ny 3 ora folakandro. Niasa ivelan’ny tanàna ny ray aman-drenin’ny zazavavy, 13 taona, tsy salama saina sady moana. Noho io fahasembanany io, tsy manaraka ireo lehibe niasa […]