Tranga

Lakana nihotsahan’ny tany: olona 16 niara-maty

Niara-maty ny olona 16 mianadahy, afakomaly alina, tao Tsarahotana. Nihotsahan’ny tany tampoka ny lakam-by nitondra azy ireo raha naka sisin-drano, saika hampidina mpandeha. Niampatrampatra ny faty! Niara-namoy ny ainy ny vehivavy sivy sy lehilahy fito ny alin’ny talata lasa teo. Naka sisin-drano saika hampidina ny mpandeha teo am-pahatongavana, tany Tsara­hontana, […]

Ambohidratrimo : fasana efatra vaky, very ny taolam-paty

Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ankehitriny. Nitrangana vaky fasana efatra indray tany amin’ny fokontany Antsahamaina, kaominina Antanetibe Mahazaza, distrika’Ambohidratrimo, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ireo razana sy ny taolam-paty am-polony tao amin’ireo fasana. Nahatsikaritra fasana vaky teny an-toerana ny olona sendra nandalo, afakomaly. […]

Kaominina Manazary : olona roa maty nilatsahan’ ny havandra

Nilatsahan’ny havandra, taraiky tao anaty tatatra ny raim-pianakaviana iray ka maty. Ramatoa iray hafa koa lasibatra. Niara-matin’ny havandra tao amin’ny tanànan’ Antsahamaroloa, fo­kon­­­­ta­ny Beapombo, kaominina Manazary, distrikan’i Mi­arina­rivo, ny alatsinainy 11 novambra teo, ny raim-pianakaviana sy ramatoa iray. Na­norana ny andro tao amin’io kaominina io, ny hariva na­nomboka tamin’ny 6 […]

Adiny efatra ny famonoana : trano an-jatony indray ravaravan’ny afo

Trano an-jatony indray ravan’ny afo tao an-tampon-tanànan’Ivandrika distrikan’i Farafangana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo nandritra ny firehetana tao an-tanàna. Voalaza fa niainga avy amina pitik’afo tao amina tokantrano iray no nahatonga ny loza. Nahandro sakafo ny renim-pianakaviana iray ka nisy pitik’afo, teo no […]

Ambohijatovo: mpanao sinto-mahery tra-tehaka

Nisintona finday an’ny mpandeha iray anaty taxi-be, tra-tehaky ny olon-tsotra ny mpanendaka iray teny Am­bohijatovo, omaly. Mitazan-davitra ny fihetsiky ny mpandeha anaty fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io. Nosintominy ny findain’ny mpandeha iray tamin’ireo tao anaty taxi-be saingy efa mailo ity farany. Voatazona ny tanan’ilay mpanao sinto-mahery ka tsy afa-nandositra. Niara-nisalahy, […]