Tranga

Nandroba mpanangom-bokatra : dahalo roa lahy rotiky ny bala

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra tao Miadamanjaka, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Nitondra vola mitentina 3 500 000 Ar, niala tao Ambatomisihazo, fokontany Antranoroa hihazo an’i Miadamanjaka, fokontany Ambohibary, ny ramatoa iray. Mpanangom-bokatra izy ka hividy entana no anton-diany. Nifanehatra tampoka tamin’ny dahalo roa lahy nitam-piadiana […]

Ranon’Ikopa-Tanjombato : Tovolahy maty nitsoraka avy eny ambony tetezana

Niantsoana mpamonjy voina ny tovolahy iray. Saika hilomano ka nitsoraka avy eny ambony tetezan’i Tanjombato. Nilentika, vatana mangatsiaka sisa hita, omaly. Vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray 18 taona, monina eny Tanjombato no navoakan’ny mpamonjy voina, tao amin’ny reniranon’ Ikopa, omaly atoandro. Tra-doza raha niara-nilomano ta­min’ny namany izy. Voalazan’ ny olona nahita […]

Voasambotra teny Ivato : nisandoka ho zandary nandritra ny 12 taona

Nisandoka ho mpitandro filaminana miaraka amin’ny fanamiana, tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambohidratrimo, ny lehilahy iray, ny 21 jolay lasa teo. Nanararaotra olon-tsotra teo Mandrosoa Ivato izy, herinandro mialoha io nisamborana azy io. Nangalany vola ny mpi­ton­­­dra fiara nosakanany ary nitonon-tena ho zandary am-perinasa ity mpisoloky ity. Ankoatr’io, […]

Nihorohoro ny mponina teny Ankasina : lasa ny volabe, jiolahy efatra nanafika mpanao Cash point

Nirefotra indray ny basin’ ireo jiolahy nandritra ny fanafihana mpanao Cash point iray eny Ankasina, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Jiolahy efatra nirongo basy mahery vaika no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Tampoka ny fisehoan’ny fanafihana satria ny roa tamin’ireo jiolahy niditra tao amin’ilay Cash point raha niandry teny ivelany kosa […]

Anosibe Angarangarana : jiolahy tratra teo am-pamakiana tranon’olona

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, omaly maraina, tamin’ny 1 ora sy sasany, teny Anosibe Angarangarana, ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Nihanika tambohon’olona izy. Tsy vitan’izay fa efa tafiditra tao an-trano izy tamin’io fotoana io. Tazan’ny tompon-trano anefa izy ka afaka niantso […]