Tranga

Tambajotra mpangalatra moto : telo lahy notanana eny Antanimora

Malaza ratsy amin’ny tranga tsy fandriampahalemana ny faritra 67 ha sy ny manodidina tato ho ato. Mpangalatra moto telo lahy sarona teny an-toerana notanana am-ponja, omaly. Niakatra fitsarana, oma­ly, mpangalatra moto roa lahy niaraka notazomina vonjimaika eny An­tanimora, taorian’ny fampanoavana. Na­haray fitarainana ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria 67 ha […]

Ahina ho namono tena : lehilahy hita faty nihantona tamin’ny hazo

Raim-pianakaviana iray hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza tamin’ny hazo mirefy eo amin’ny dimy metatra eo ho eo, tao amin’ny fokontany Ambodivandrika, kaominina ambanivohitr’Ilaka Atsinanana, distrikan’i Va­tomandry, ny sabotsy hariva teo. Nahazo fanairana avy amin’ny sefo fokontany Am­bodivandrika ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ilaka Atsinanana momba ny fisian’ity raim-pianakaviana […]

Fanafihana mitam-piadiana : maty voatifitry ny polisy i Ndaty

Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR teny Antsalovana 67 ha, ny sabotsy tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny sady mpamerin-keloka, fantatra amin’ny anarana hoe i Ndaty. Malaza ratsy amina halatra mitam-piadiana mahery vaika i Ndaty, araka ny fanazavan’ny polisy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona […]

Savorovoro tao Sakaraha : Polisy efatra naratra, nalain’ny fokonolona an-keriny

Naratra mafy ireo polisy efatra niharan’ny fitsaram-bahoaka teo am-panatanterahana ny asany, tao Sakaraha, omaly. Nohazonin’ny fokonolona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana izy ireo. Naratra avokoa ireo polisy miisa efatra vokatry ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Saka­raha, omaly. Nisambotra olo­na tao amin’ny tanànan’Anki­limena ireo mpitandro filaminana ireo. Niaraka tamin’ny olon-tsotra […]

Adiny iray ny fifampitifirana : jiolahy telo lavon’ny polisin’ny Fip, roa lahy tratra

Nirefodrefotra ny basy tao Analamalotra Toamasina, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Naharitra adiny iray ny fi­fampi­tifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nanao fanenjika manerana ny tampon-tanànan’i Toa­masina. Dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy nikasa hanafika mpandraharaha ireto. Avy naka vola tamina banky iray tao […]