Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy sivy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 15 taona, tao Amparafaravola. Nanao tohivakana ny fisamborana ireo jiolahy ny 21 sy 22 oktobra 2024 teo. Lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ny ankizivavy 15 taona ny alin’ny 15 oktobra 2024. Avy nanatrika raharaham-pianakaviana tao amin’ny fokontany […]
Tranga
Herisetra ao an-tokantrano : naiditra am-ponja ilay lehilahy nidaroka am-badiny
Nodarodaroham-badiny, mangana ary feno ratra ny vehivavy iray. Tra-tehaka ny nahavanon-doza ka notanana any am-ponja. Voasambotra ka notanana am-ponja ao Ambohitrabiby, ny lehilahy iray nidaroka ny vadiny, afakomaly. Nanamparany herisetra ny vadiny. Nodarodarohany, mangana tanteraka ny faritra maromaro tamin’ny vatan’io ramatoa io. Anisan’ny voa mafy ny lohalika sy ny feny. […]
Kizo Andolosilamo : ankizilahy nalain’ny dahalo an-keriny votsotra
Nitrangana asan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao an-tanànan’Ambodivato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny 3 novambra 2024. Teny am-piraofana ahitra teny an-tanimbary, tao andrefan’ny tanànan’Ambodivato, no nalain’ireto dahalo ireto ny omby miisa 54 an’ny raim-pianakaviana iray ao an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola naka an-keriny ankizilahy 10 taona ihany koa ireo […]
Andranomena : fiara roa kilan’ny afo
Fiara roa hotohoton’ny afo teny Andranomena, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Mirongatra ny trangana fahamazaina trano tato ho ato. Naharay antso ny mpamonjy voina. Nigadona tao an-toerana nitrangan’ny loza izy ireo tamin’ny 9 ora sy 27 minitra. Nanao sarotra ny fifehezana ny afo noho ny […]
Mpanao Cash point voatafika : mpianadahy niara-voatsatoka antsy
Vehivavy mpanao Cash point naratra mafy voatsatoka antsy, omaly, tao Mangarivotra. Nikasa ny hanavotra azy ny anadahiny saingy nanamparan’ireo jiolahy ny habibiany ihany koa. Naratra mafy ny renim-pianakaviana iray, mpanao Cash point, omaly. Lasibatry ny asan-jiolahy tao Mangarivotra Atsimo, kaominina Toamasina, izy tokony ho 6 ora sy sasany. Hamonjy fodiana […]




