Tratran’ny zandary avy ao amin’ny “brigade territorial” Toamasina, eo ambany fibaikoan’ny GPHC Raherison Susthéne ny lehilahy iray mpisoloky milaza ho manana mena-bato sy vola iray baoritra. Milaza ho manana mena-bato sy mahita vazaha mpividy izany ity lehilahy mpisoloky ity. Efa fomba fiasa fakany vola aman’olona izao fisolokiana izao. Tsy vitan’izay […]
Tranga
Analavory : dahalo telo lahy maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy. Namoy ny ainy ny dahalo telo lahy nangalatra omby tao Ankazomasina, fokontany Amparaky, kaominina Analavory, afakomaly alina. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona fa manafika ao an-tanàna ny olon-dratsy efatra mitam-piadiana. Nentin’izy ireo nandositra ny omby roa. Nanara-dia niaraka amin’ny tompon’omby very avy hatrany ny zandary notarihin’ny […]
Nikorontana ny fianakaviana… : ny rahalahiny ihany no notafihin’ilay jiolahy
Tratra teo am-pianihana tamboho tao Analankinina Hopitalibe-Toamasina, ny alatsinainy teo, ny lehilahy iray, raha nikasa hangalatra tao an-tranon’ny rahalahiny ihany. Nandritra ny ora-nikija sy fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama no nisehoan’izany. Tsy nandondona sy niantso izy fa niditra moramora ka nihanika ny tamboho misy ny tranon’ilay rahalahiny. Miaramila miasa ao Toamasina […]
Fitakian’ny mpiasan’ny Cnaps : nohelohin’ireo sendikà ny herisetra natao amin’ny mpitarika
Nohelohin’ireo sendika rehetra, mivondrona eo anivon’ ny SSM ny herisetra nihatra tamin’ny mpitarika ny sendikan’ny mpiasan’ny Cnaps. “Nametraka fitoriana izahay ary nampitsahatra tanteraka ny asa aloha. Tsy azo ekena izany, tonga amin’ny famonoana tahaka izao ny hetsika fitakiana ny tsy tokony hanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka ato aminay”, hoy ny […]
Fanapoizinana ara-tsakafo : zaza fito taona matin’ny fihinanana trondro nisy poizina
Niady tamin’ny fanapoizinana nahazo azy, zazavavy iray maty tao Ampatsinakoho, fokontany Betoafo, kaominina Vangaindrano , afakomaly. Avy nanjono teny an-dranomasina, nentin’ny renim-pianakaviana hatao sakafo ny karazan-trondro iray atao hoe Botala na Tsikoboriaky tao an-tokantranony, ao Ampatsinakoho, io trondro io. Manan-janaka telo mianadahy, niara-nihinana io trondro io izy ireo. Nataon’izy ireo […]