Notanan’ny zandary ny lehilahy nahatrarana basy teny amin’ny fokontany Ambodiampanga Antanetibe, Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano, ny 3 avrily tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nitrangana fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny olon-tsotra hafa. Tsy nijanona tamin’ny fanaovana vava sy fampitahorana izany. Nandrahona hamoaka fitaovam-piadiana ilay lehilahy. Nambanany tamin’ny basy tokoa ilay […]
Tranga
Avy nandevina, nisasa teo Ampasika: mianaka niara- maty an-drano
Maty an-drano, omaly, i Thierry, mpihira tao amin’ny Zaza Kanto. Nanavotra ny dadatoany izy no niara-nalentik’Ikopa, teny Ampasika. Tra-doza nandritra ny fisasana vao avy nandevina ny nenitoany izy ireo. Olona mianaka, raim-pianakaviana 45 taona, sy tovolahy iray 17 taona, niara-maty an-drano tetsy Ampasika, omaly tolakandro. Maty tamin’ny herin’ny omaly ny […]
Fanolanana zaza 6 taona : Voasambotry ny polisy ireo roa lahy voarohirohy
Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimahasoa, omaly maraina, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana sy famonoana zazavavikely enin-taona tany an-toerana, ny alarobia lasa teo. Rahalahan-drain’ilay zaza ny iray amin’ireo voasambotra ireo. Mpiara-monina fa manana lonilony amin’ny rain’ny zaza maty kosa ny lehilahy iray hafa, raha ny angom-baovao voaray. […]
Ambohidratrimo : Tovolahy 17 taona maty an-drano
Hita afakomaly tamin’ny 3 ora tolakandro tao anaty rano, teny Ambohidratrimo Ambavarano, ny vata-mangatsiakan’ny tovolahy iray 19 taona. Maty nalentiky ny rano tao izy tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any. Nilomano tao amin’io rano io izy ary tsy nipoitra intsony taorian’izay. Niantso ny tomponandraikitra avy amin’ny vondron’ny mpamonjy […]
Lozam-piarakodia teny Ambohimangakely : Mpivady niara-maty
Olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teny Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy 03 avrily teo. Nohazonina atao famotorana ny mpamily. Fiara an’olon-tsotra niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 08+500, fokontany Ankadindambo, kaominina Ambohimangakely, ny alakamisy 03 avrily alina, tamin’ny 10 ora sy 10 minitra. Kamiao […]