Naratra mafy, vaky ra ny loha sy ny tavan’ny lehilahy iray saron’ny fokonolona nanao asa ratsy teny Ambatolampy Antehiroka, afakomaly. Nivezivezy tao amin’ny toerana natokana hijanonan’ny fiara ilay lehilahy. Nanararaotra nisokitra fiara teny an-toerana izy kanjo tsikaritry ny mponina manodidina io fihetsiny io. Nikasa hangalatra tao anatin’ny fiara izy, raha […]
Tranga
Antanetibe-Faratsiho : Maty novonoin-dreniny i Lucas kely, zaza iray volana
Tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Lucas kely ny reniny niteraka azy sy ny mpimasy iray tao Antanetibe, distrikan’i Faratsiho. Notanana am-ponja ireo olona telo voasaringotra, afakomaly. Natsikafin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa ny renin’i Lucas kely ihany no namono nahafaty azy tao Ambatomitety, fokontany Antanetibe, distrikan’i Faratsiho, ny 31 jolay lasa teo. […]
Ambohitrabiby-Avaradrano: Vehivavy hita faty tanaty rano teo Ambatoboka
Renim-pianakaviana iray maty an-drano tao amin’ny fokontany Ambatoboka, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Avaradrano, omaly. Niala ny trano fonenany vao maraina ity ramatoa ity, araka ny fanazavana voarain’ny zandary tamin’ny fianakaviany. Nampandrenesin’ny fianakavian’ilay tra-doza ny mpitandro filaminana. Hita natsingevan’ny rano tao ambanin’ny tetezana ao Ambatoboka ilay renim-pianakaviana. Nidina ifotony nanao fizahana ny […]
Andranovelona-Ilafy : Zaza amam-bolana nisy nanary
Zazavavy iray hitan’ny olon-tsotra nipetraka teo amin’ny tohan-drano Andriambato anelanelan’Andranovelona sy Antsapandrano, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa vao maraina no nahatazana ilay zaza. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy teo amin’ny toerana. Niantso tomponandraikitra sy nampandre fokonolona avy hatrany ny nanatri-maso. Natolotra ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Sabotsy Namahena taorian’izay. […]
Soamanandrariny : Fikambanan-jiolahy mpangalatra moto ravan’ny zandary
Telo lahy mpangalatra moto, iray hafa mpividy ary mpanafina saron’ny zandary Soamanandrariny, afakomaly. Tambajotra iray efa nampikolay ry zalahy ireto. Vehivavy iray sy lehilahy efatra mpiray tsikombakomba amin’ny halatra moto tra-tehaky ny zandary miasa ao amin’ny tobi-paritra Soamanandrariny, afakomaly. Nandritra ny fisafoana ny alin’ ny 9 aogositra nataon’ny mpitandro filaminana, […]





