Niakatra fampanaovana ny faran’ny herinandro teo, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora, ireo roa lahy sarona nanendaka teny Anosibe, ny alin’ny 14 jona teo. Mivezivezy eny amin’iny faritra iny amin’ny andro alina, mitonon-tena ho mpanao andrimasom-pokonolona, izy roa lahy, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Mpiasa nirava alina no lasibatr’izy […]
Tranga
Vokatry ny tsy fahalalany: mianadahy niara-maty, nihinana kabaron-dolo
Misaona ny fianakaviana iray ao Andranovorivato. Niara-maty ny zaza mianadahy nihinana kabarin-dolo. Manoloana ny voina, nidina tany an-toerana, omaly, ny tomponandraikitra nanentana ny olona tsy hihinankinam-poana. Nihinana karazana kabaro, ahina ho misy poizina, ankizy mianadahy namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Andranovorivato, distrikan’i Vohibato, ny alahady tolakandro teo. Nahandro io […]
Lakana rendrika an-dranomasina: renim-pianakaviana sy ny zanany iray niara-maty
Nitrangana faharendrehana lakana indray tany amin’ny lakandranon’i Pangalina, omaly maraina tamin’ny 4 ora maraina tany ho any. Niainga tany Betampona, tao amin’ny lakandron’ny Pangalanina, afakomaly atoandro io lakana io, hihazo an’i Vinanin’i Mangoro, raha ny fanazavana voaray. Nitondra mpandeha manodidina ny 20 isa izay nahitana ankizy sy zaza ny fito […]
Fifampikasohan’ny herinaratra: trano roa kilan’ny afo tetsy Namontana
Kila hotohoton’ny afo ny trano lehibe miisa roa teny Namontana sy Mandrangombato, ny sabotsy 20 jona lasa teo. Niezaka nihatrana ara-potoana taorian’ny fahazoana loharanom-baovao ara-potoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tamin’ireo fotoana nitrangan’ny fahamaizana ireo. Niredareda voalohany ny afo tao amin’ny tokantrano iray tao Mandrangombato II, ny harivan’ny sabotsy lasa […]
Jiolahy raindahiny: lavon’ny balan’ny UIR i Capsat sy i Feno
Maty voatifitry ny polisin’ny UIR teny Ambatomaro, ny sabotsy alina tamin’ny 9 ora, ny roa tamin’ireo jiolahy enina voasambotra dia i Capsat sy i Feno. Nanohitra ireo polisy izy roa lahy tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny polisin’ny UIR sy ny andian-jiolahy tarihin’i Capsat, 23 taona, teny Ambatomaro, […]




