Tranga

Raim-pianakaviana voatafika: 4 tapitrisa Ar haterina any amin’ny banky voaroba

Miseholany ny trangana tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Raim-pianakaviana hanatitra vola any amin’ny banky no notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niseho tao Amboloma­dinika, teo anoloan’ny tranombarotra fivarotana Fave, distrikan’i Toamasina, ny tranga. Miasa amina tranombarotra iray misehatra amin’ny fivarotana kojakoja amin’ny fanaovan-trano ity lasibatra ity. Mpiasa efa […]

Niala fiara tamin’ny sisin-dalana : Mpanao Rallye namoy ny ainy

Tsy tana ny ain’ny mpamily fiarakodia fanta-daza amin’ny taranja mekanika sy ny fakana sary, omaly. Niharan-doza teny amin’ny lalan’Imerinkasinina izy sy ny vadiny, ny alahady 28 jona teo. Namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tamin’iny lalan’Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominin’ Ambohimalaza ny mpamily fiarakodia iray. Mpankafy […]

Namono nahafaty ny vadiny : Maty voatifitra ilay maorisianina tompon’antoka

Maty voatifitry ny polisy ny sabotsy maraina teo, ilay lehilahy teratany maorisianina, 40 taona. Izay tompon’antoka namono nahafaty ny vadiny, 34 taona, tany amin’ny fokontany Antanambao, kaominina ambonivohitra Mananara Ava­ratra, io andro io ihany. Lasa nitsoaka ny tenany taorian’ny asa ratsiny. Nahazo angom-baovao anefa ny polisy ka nisambotra azy avy […]

Tranon’ny filohan’ny Albinos : Nisy andian-jiolahy nikasa hanafika

Andian-jiolahy nikasa hanafika ny trano fonenan’ny filohan’ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira, i Soja Fulgence, tany Maevatanàna, omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora. Namoaka fanambarana mahakasika izany, tamin’ny tambajotran-tserasera, ny tenany, omaly. Nikasa hiditra an-keriny tao an-tranony ireo jiolahy. Nahatsikaritra izany ny olona tao an-trano ka nampandre ny mpitandro […]