Tranga

Nikasa hanolana ny anabaviny : voaheloka 5 taona an-tranomaizina i Galy

Niakatra fitsarana ady heloka bevava tao Toamasina, omaly, ny raharaha anenje­hana an’i Issai Galy, araka ny antontan-taratasin’ady laha­rana faha 40-Toa/23-2715-Rp/22. Loham-piampangana anenjehana azy ny fikasana hanao fanolanana tamina ankizivavy tsy ampy taona. Voafaritry ny lalàna famaizana izany ka dimy taona an-tranomaizina asa an-terivozona miampy fandoavana onitra 2 tapitrisa Ar ho […]

Laza adina BEPC hosoka : mpampianatra roa voasambotra

Mpampianatra ny roa tamin’ireo efatra mianadahy nivarotra laza adina BEPC hosoka voasambotry ny zandary tetsy Talatamaty, afakomaly. Manao fanambarana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, nilaza ho manana laza adina BEPC izy efatra mianadahy ireto. Amidiny 50 000 Ar ny iray. Niteraka fikorontanana saim-bahoaka ny fisian’io tranga io. Nijery ifo­tony ny raharaha ny eo […]

Afera maloto : mahazo vahana ny halatra taolam-paty

Trangam-piarahamonina mahazo laka,isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny halatra taolam-paty. Taolan-dava miisa 474, nisy nanary tao anaty kirihitra, omaly. Taolam-paty dimy gony, hita tao anaty kirihitra, tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, kaominina Antsenavolo, distrikan’i Ma­nanjary, omaly. Ramatoa iray handeha haka kitay no naha­tsikaritra gony marobe. Nen­tin’ny fitiavana tia jerijery, nosavainy kinanjo taolam-paty […]

Enina naratra: nifandona ny mpitokona sy ny mpitandro filaminana

Olona enina nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly be Taolagnaro, omaly. Naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitokona ao an-toerana izy ireo. Nanao fanakanan-dalana teo amin’ny toerana atao hoe Amaroa­malina sy “4 chémins” ireo mpitokona. “Efa niezaka nitady ny marimaritra iraisana tamin’ireo fokonolona izahay saingy misy ny […]

Fifampitifirana : jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy

Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona. Io no vokatry ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy mpangalatr’omby sady mpamono olona ao amin’ny faritr’Ihorombe, afakomaly. Ny faran’ny volana jona teo, nanafika tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana, Ihosy, ireto jiolahy ireto. Olona iray maty nandritra ny fanafihana. Omby telo […]