Tranga

Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro

Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no […]

Haondrana an-tsokosoko : sarona ny « corail noir » 80 kilao

Taksiborosy iray nitondra akorandriaka mainty “corail noir” milanja 80 kilao no tra-tehaky ny zandary mpanao sakan-dalana tao Antsirabe, afakomaly. Tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany alina teo, voasakana teo Vinaninkarena ilay fiara ka voasava avy hatrany. Nandritra izay, tra-tehaka tao anaty valizy miisa roa teny ambony fitoeran’entan’ilay fiara […]

Fanafihana teny amin’ny RN13: vaky loha ilay mpamily taksiborosy

Voatafiky ny dahalo ny olona 11 tao anatin’ny fiara mpitatitra iray nandalo teny amin’ny lalam-pirenena faha-13 hihazo an’i Taolagnaro, afakomaly vao mangiran-dratsy. Nifanehatra tamin’ireo dahalo teo akaikin’ny “Centre Univesitaire régionale Ambo­vombe” ity fiara mpitatitr’olona ity. Nahazo antso ny zandary ao Ambovombe ka nidina ifotony. Miisa telo ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana […]

Fakana an-keriny : Lavo i Masivelo, atao hazalambo ireo namany

Maty voatifitry ny zandary omaly i Masivelo, dahalo raindahiny mpaka an-keriny sy mpanao halatr’omby ao amin’ny kaominina Brieville. Ankehitriny, atao hazalambo ireo namany rehetra niray tendro taminy. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsa­pan­drano kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, ny 18 novambra teo. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 08 ora […]

Talatamaty: telo lahy tratra niaraka tamin’ny rongony 119 fonosana

Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina an’i Talatamaty sy Ambohimanga­kely, ny zoma 25 novambra teo. Vokatry ny ezaka amin’ny fikarohana ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina nataon’ny mpitandro filaminana, sarona tao an-trano fonenany Talatamaty- Faralaza ny roa lahy. Noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony izy roa ireto. Nosavaina, nahitana rongony […]