Tranga

Ambatondrazaka : jiolahy roa lahy rotiky ny bala

Nanohitra polisy, maty voatifitra ny jiolahy roa raindahiny. Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa, tao Beta­nimena Bagdad, ana­tin’ny distrikan’Ambaton­dra­zaka, afakomaly alina. Mpa­nakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-44 sady mamaky trano izy roa lahy ireto. Nanao hetsika manokana ny zandary avy ao amin’ny borigady Mana­kambahiny sy ny polisy. Tra-tehaka tamin’izany ireto jio­lahy […]

Cash point voatafika : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisin’ny Uir, taorian’ny fifampitifirana, ny jiolahy roa tao Tanam­bao Toliara, afakomaly atoandro. Avy nanafika Cash point iray izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy. Naka vola tamina Cash point iray, ao amin’ny fokontany Morafeno, ny raim-pianakaviana iray. Teny an-dalana ho any Ma­nin­day izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo basy. […]

Hasarotam-piaro: lehilahy maty voatsindrona antsy

Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza ka nahafaty olona tao Ambohitrarahaba, ny 27 jona teo. Raim-pianakaviana 40 taona maty voatsindrona antsy nataon’io lehilahy voasambotra io. Noho ny hasarotam-piaro, nifamaly ireto roa lahy ireto. Nentin’ny hafanam-po, nampiasa antsy ny iray. Nolerany tamin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana io antsy io. Naratra mafy, nentin’ny manodidina azy […]

Fialonana: matin’izy roa lahy ny reniny

Nialona ny zaodahiny izy roa lahy. Ny reniny no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Nodorana ny tranony. Notaperina ny ain’ilay renim-pianakaviana. Namoy ny ainy vokatry ny habibiana nataon’ny zanany roa lahy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahavita, kaominina Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika, ny alin’ny 26 jona teo. Nialona ny valilahiny […]

Basy telo tratra… : lavon’ny zandary i Norobe sy ny namany

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Antsahatanteraka Andrano­ma­nelatra, Antsirabe II, ny alatsinainy teo, ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Norobe sy ny namany iray. Teo am-piomankomanana hanao fa­nafihana izy ireo no nifanehatra tamin’ny zandary. Tafa­poritsaka nandritra ny fifanandrinana ny roa lahy naman-dry zalahy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy […]