Navadika ho lavenona ireo rongony 312,25 kg saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambodivohitra, kaominina Antsamaka, distrikan’i Bealanana, afakomaly. Saron’ny mpitandro filaminana vao mangirandratsy teo amin’io fokontany io ireto zava-mahadomelina ireto. Tao anaty gony miisa 12, tsy nahitana olona nitondra ireo entana ireo. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny gony. Rongony avokoa no […]
Tranga
Niray tendro amin’ny dahalo : sefo fokontany nosamborina
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny sefo fokontany ao Ambohimiarina, kaominina Ambalafaminty, distrikan’ Antsohihy, afakomaly. Noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo mpangalatr’omby, nentina natao fanadihadiana io lehiben’ny fokonolona ao an-toerana io. Miara-miasa amin’ireo olon-dratsy, anisan’ny mandoto ny fandriampahalemana ao anatin’ity distrika ity ny fandraisany anjara sy fidirany an-tsehatra ka antony nanadihadiana azy. […]
Ankoatra ny eo Anosy…: hisy afomanga lehibe koa ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Toy ny fanao isaky ny 25 jona, hanamarihana ny fetim-pirenena, hisy indray ny fandefasana ny afomanga miavaka amin’ity. Efa ao anatin’ny fametrahana ny pitsopitsony ara-teknika avokoa ireo tomponandraikitra misahana izany. Efa vonona ihany koa ny toerana hanatanterahana izany. Nomarihin’ny komity mpikarakara fa efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina ampiasaina […]
Herisetra ara-nofo : nidoboka eny Tsiafahy ilay nanolan-jaza 4 taona
Nalefa eny Tsiafahy vonjimaika, taorian’ny fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray 34 taona nanolana zazavavikely. Vao efa-taona, nobatain’ io tsy mataho-tody io tampoka teny an-tokotanin’ny ray aman-dreniny io zazakely io. Tsy hita popoka taorian’izay ilay zaza. Tsikaritry ny olona tsara sitrapo anefa ny nitondran’io lehilahy io ilay zaza. Nihazakazaka nijery izany […]
Taksiborosy nitsoraka ambany tetezana : zaza 8 taona namoy ny ainy, olona 8 naratra
Maty tsy tra-drano ilay zaza 8 taona tao anatina taksiborosy iray tra-doza tao Ambatolampy, omaly. Nandeha mafy, tafavoaka ny tetezana anatin’ny lalam-pirenena fahafito, teo amin’ny PK 57+700, Antsahafiraisana, fokontany Amboniriana, kaominina Andriambilany, distrika Ambatolampy, ny taksiborosy iray, omaly maraina. Nitondra mpandeha avy any Vangaindrano, nikasa hihazo an’Antananarivo izy ireo. Nivoaka […]