Naratra mafy izy mivady voatafika tamin’ny talata alina. Voakapa famaky ny lohan-drangahy. Voafira antsy ny tanan-dramatoa. Miandahy miambavy ny mpanafika. Voatafika ny mpivady, mpivarotra enta-madinika, monina ao Andranomanganahana, distrikan’i Farafangana, ny talata alina lasa teo. Nokapain’ny jiolahy famaky ny raim-pianakaviana. Naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny lamosina. Mbola voafira […]
Tranga
Teo am-pikononkononana fanafihana : jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy mpamerin-keloka, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mikononkonana fanafihana mitam-piadiana ao Tsaravavaka Antsirabe ka namonjy izany. Vao nahatazana ny polisy ny andian-jiolahy dia nitifitra avy hatrany. Nifamaliana ny tifitra, maty ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy hatramin’ny […]
Nafenina tanaty kizo: rongony 81 kg saron’ny zandary
Tratran’ny zandary tao amin’ny kizo ao Sahavia, kaominina Tsianofana-Vangaindrano, ny rongony tamin’ny gony miisa valo, ny alin’ny 9 jona lasa teo. Nentin’ny efa-dahy tamin’ny lakana izany. Nampitandrina azy ireo tsy hihetsika ny mpitandro filaminana. Nitsambikina, nilentika tao anaty rano ny mpitondra ny entana. Navelan’izy ireo nihahaka ny rongony, nogiazan’ny mpitandro […]
Kizon’Akondrokely: maty voatifitry ny zandary i Kakaboy sy ny namany
Voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kizon’Akondrokely, ny alahady alina teo, i Faby na i Kakaboy. Tao amin’ny kizon’ Akondrokely, kaominina Ambato no nifanehatra tamin’ny zandary ity jiolahy raindahiny ity. Voalazan’ny fampitam-baovao fa herinandro mahery teo no nahenoan’ ireo zandary miasa ao amin’ ny zana-tobim-paritra (PA) Avaratsena Sahalemaka […]
Notrongisin’ny moto : lehilahy nandeha bisikileta maty
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tao Toamasina II, omaly maraina , tamin’ny 10 ora, amin’ny lalam-paritany avy eo Ivoloina mampifandray ny kaominina maro hatrany Mangabe. Tsy mifanalavitra ny tetezana iray vao vita no nitranga ny loza. Raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana, raim-pianakaviana nandeha bisikileta no notrongisin’ny moto ka maty […]