Notondraham-badiny rano mangotraka ny tarehy sy ny vatan’ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Nandritra ny fifampiresahan’izy roa, nangataka ny findain-dramatoa io rangahy vadiny io. Nanomboka nanda anefa ilay vehivavy. Nanohitra ny tsy fahatokisam-badiny azy izy. Tsy nanaiky, nikiry ary nanery an-dravehivavy hanome ny finday teny aminy […]
Tranga
Hanatitra vidina akoho : Voaroba ny 20 tapitrisa Ar
Raim-pianakaviana iray no voaroba 20 tapitrisa Ar, omaly maraina, tany Toamasina. Teo am-pivoahana ny trano hanatitra io vola vidina akoho fakana nofo io izy no lasibatry ny jiolahy. Efa niantsona teo ivelan’ny tranony ny fiara mpanatitra akoho fakana nofo. Vita ny fampidinana ny entana rehetra ka nivoaka hanome vola 20 […]
Nifandona tamin’ny dahalo : Omby sivy tafaverin’ ny fokonolona
Nandositra avokoa ny dahalo nangalatr’omby tao amin’ny tanànan’Agnala, kaominina Ambahita, distrikan’i Bekily, ny alarobia 11 desambra teo. Navoakan’ireo olon-dratsy ny omby miisa sivy tao am-bala. Hitan’ny tompon’omby anefa ireo mpandroba. Nanao hazolava, nivoaka avokoa ny olona mipetraka amin’ny manodidina ny tranon’ny lasibatra. Nandositra nitondra ireo omby halatra ny dahalo. Nanara-dia […]
Manakan-dalana amin’ny alina : Notanana am-ponja ireo efa-dahy
Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, […]
Sambava : Zazalahy natelin’ ny ranomasina
Nilalao teo amoron-dranomasina, mbola tsy hita popoka tao anatin’ny telo andro, taorian’ny nanjavonany ilay zazalahy tao Sambava. Nanamorona ny rano io zazalahy vao valo taona monja io. Tsy nanampo na inona na inona rahateo ny ray aman-dreniny noho ireo zaza efa zatra milalao amoron-dranomasina. Tampoka, nosintomin’ny onja io zaza io. […]





