Tranga

namono ramatoa 66 taona : Atidoha nikotrika ilay mpiandry omby

Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo ny raharaha momba ny fanolanana niharo vono olona tao amin’ny fokontany Ambohitsinindriana, kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo. Vokatry ny angom-baovao nataon’ny mpitandro filaminana nanao famotorana, ilay mpiandry omby no tompon’antoka tamin’io vono olona io. Nampiditra ny jiolahy tao an-tranon’ilay ramatoa 66 taona, izay mpampiasa azy. Nanamparan’ireo tsy […]

Trano 14 lasa lavenona : ady mivady niafara tamin’ ny fahamaizana tanàna

Nikasa hanondraka menaka mangotraka am-badiny ilay ramatoa kinanjo nandoro ny moto tao an-trano izany. Nirehitra avokoa ny tanàna manodidina. Nitrangana haintrano indray tao Mangarano Toamasina, parisela 11/46 carreaux faharoa, ny alatsinainy alina teo. Araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny Sampana mpamonjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Désiré, niainga avy tamina […]

10 000 Ar very : tovolahy maty nodarohan-drainy

Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy 17 taona tao Toamasina Renivohitra, ny 27 septambra teo. Nitrangana fahaverezana vola 10 000 Ar tao amin’ny tranon’izy ireo. Tezitra mafy ny rain’io ankizy io. Nodarohana tamin’izany ilay zanany lahy. Ataon’ny rainy ho tompon’antoka tamin’ny fanjavonan’io […]

Ambohitrimanjaka : roa lahy nahatrarana rongony 5 gony

Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy nahatrarana rongony dimy gony tao Ambaribe, fokontany Fia­ka­rana, kaominina Ambohitri­manjaka, ny 28 septambra teo. Lehilahy iray tra-tehaky ny zandary teo am-pifohana io karazan-javamahadomelina io. Nofotorin’ny mpitandro filaminana io mpidoroka io ka nanaiky hitoroka ny foibe mpamarotra rongony. Norai­sim-potsiny tao an-trano nambenany ny mpiambina […]

Nahatrarana finday halatra: voasambotra izy roa lahy

Narahin’ny polisy nisahana ny fanadihadiana tamin’ny alalan’ny laharana IMEI an’ny telefaonina very, mpamaky trano roa lahy voasambotra tao Mandritsara, omaly. Nitrangana vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohipo, ny alin’ny alahady 28 jolay lasa teo. Norobain’ireo jiolahy avokoa ny entana sarobidy tao amin’ny trano lasibatra. Nalain’ireo mpandroba koa ny finday. Nametraka […]