Tranga

Zaza varira nisy naka an-keriny : 17 ireo voasambotra, raikeliny ihany ny iray

Ravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ilay zaza varira, dimy taona, very tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 17 ireo tompon’antoka tamin’izany. Tratran’ny polisim-pirenena tany amin’ny lalam-pirenena faha-12, tao Ambila, 20 km miala an’i Manakara, afakomaly tamin’ ny 10 ora alina, ireo nangalatra sy nitondra ilay […]

Fifindra-monina tsy ara-dalàna mankany Mayotte : Voasambotra ilay mpikarakara sy ny namany iray hafa

Nahazo vaovao avy amin’ ny olona tsara sitrapo ny Bori­gadin’ny zandarimaria Fasce­ne, mahakasika ny fisian’ireo olona mampiahiahy tany Man­girakirana, Fokontany Maha­zandry, kaominina Nosy Be. Mety hiondrana antsokotsoko sy hifindra monina tsy ara-dalàna any Mayotte, ny 8 febroary 2025 tamin’ny 4 ora maraina teo, izy ireto. Tonga teny an-toerana voalaza avy […]

Vaky fasana: Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana vaky fasana narahina halatra taolam-paty tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kaominina Antanambao Manampotsy, afakomaly alina. Jiolahy fito ireo voalaza fa nanatanteraka izany asa ratsy izany, raha ny angom-baovao. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary voasambotra tany Ampasimadinika ny iray tamin’izy ireo. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. […]

Nifampikapoka tavoahangy : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpinamana vokatry ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola, omaly, tany Ampitakely, Fianarantsoa. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha toa ka naratra kosa ny namany iray. Nitrangana adin’ny samy mpinamana tao amin’ny toeram-pisotroana iray, any Ampitakely, Fiana­rantsoa, omaly. Nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo […]

Karohina ny mpamily : Lehilahy maty voadonan’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana akaikin’ny Clinique Malaza Andoharanofotsy, afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka teo. Maty tsy tra-drano, voadonan’ny fiara tsy fantatra, ny lehilahy iray. Nampandre ny zandary avy ao Andohara­no­fotsy ny olona tsara sitrapo fa misy olona mitsirara sy maratra mafy eny an-toerana. Nidina nijery ny zava-misy teo […]