Nirodana tampoka ny trano misy rihana telo, andalam-pahavitana, tetsy amin’ny fokontany Andavamamba Anatihazo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Nianjera tamin’ny trano roa samihafa teo anilany izany. Tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy nandritra ny tranga fa potika sy rava tanteraka ireo trano voakasika sy ny entana […]
Tranga
Biraon’ny Jirama voatafika : Vola 4 tapitrisa Ar norobain’ny jiolahy
Noraofin’ny olon-dratsy ny vola 4 tapitrisa Ar sy solosaina tao amin’ny toeram-pandoavam-bola ao amin’ny biraon’ny Jirama Toamasina, ny alin’ny alarobia 17 jona teo. Solosaina miisa 5 fampiasan’ny mpiasan’ny Jirama sy vola mitetina 4 tapitrisa Ar norobain’ny olon-dratsy, tao amin’ny birao fandoavam-bola, ao amin’ny foiben’ny Jirama Ampasimazava, Toamasina, afakomaly alina. Hiditra […]
Fikasihan-tanana vadintany : Hatolotra ny fitsarana ilay nahavanon-doza
Tsotra fa hentitra ny tenin’ny filoha nasionalin’ny Holafitry ny vadintany eto Madagasikara, ny maître Rarivoarivony Andriatafaniaina, fantatry ny maro amin’ny solonan’anarana “Maître Tafa” nandritra ny fambolen-kazo tetsy amin’ny tokontany malalaky ny Lycée Jacques Rabemananjara, ny talata 16 jona lasa teo. Fotoana nanamarihana ny faha-19 taonan’ny vadintany maneran-tany ihany koa. “Raha […]
Tsy tazana nandritra ny herinandro: Renim-pianakaviana hita faty tao an-tranony
Hita faty tao an-trano fonenany tany Antanjona, disitrikan’i Fandriana, afakomaly, ny renim-pianakaviana manodidina ny 65 taona. Tsy hitan’ny mponina teny amin’ny manodidina nivoaboaka ny trano intsony ity ramatoa ity efa ho herinandro izay, raha ny fanazavana voaray. Zafikeliny iray nirahina haka zavatra tao an-tranon’ity ramatoa ity no nahita ny faty […]
Taksiborosy nivadika : Mpandeha iray tsy nahatsiaro tena
Tsy nahatsiaro tena ny mpandeha iray, 70 taona, tao anatin’ny taksiborosy nivadika, teo avaratr’Ilempona, Antanifotsy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Niala avy any Antsirabe io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo, araka ny angom-baovao. Tra-doza tampoka anefa tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nivadika ny fiara sady nivoaka ny lalana. […]




