Vita ny famotorana ireo Maorisianina, tra-tehaka tsy nanana taratasy tany Sava. Mpanao trafikana zava-mahadomelina karohin’ny Interpol izy ireo. Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany. Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ireo Maorisiana miisa efatra niditra an-tsokosoko teto Madagasikara, taorian’ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo. «Niditra an-tsokosoko sy tsy nisy taratasy mazava, […]
Tranga
Ambohitsaratelo Ampitatafika: Nahitana tongotra zazakely efa nohanin’ny alika
Nahita tongotra zazakely, efa simba tanteraka teny amin’ny sakelin-tanànan’Ambohitsaratelo, kaominina Ampitatafika, omaly folakandro. Efa nohanin’ny alika izany. Mbola hita teny an-toerana ny akanjo sy ny lamban-jaza. Rehefa natao ny fisavana ny manodidina dia tsy nahita ny ambin’ny vatany intsony. Ireo tongotra roa sisa no tavela teo. Nidina teny ifotony, taorian’ny […]
Mandrosoa Ivato : Ganeanina maty tao amin’ny hotely
Namoy ny ainy teo ambony seza, fandraisana olona ao amin’ny hotely iray eny Mandrosoa Ivato, ny vehivavy teratany ganeanina iray, afakomaly. Teo ampandraisana ny mombamomba azy ny mpiasa no nitambotsitra tsikelikely, niala aina izy. Niezaka naka dokotera tsy lavitra teo ny tomponandraikitra rehefa avy nampilazan’ny mpiasa. Olona efa maty anefa […]
Anosimasina-Kaominina Bemasoandro : Mpianaka niara-maty, samy voatifitra teo amin’ny lohany
Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny mpianaka, monina eny Anosimasina Itaosy, tamin’ny sabotsy. Tsy misy mipika ny fanadihadiana. Nilaza kosa ny mpitandro filaminana fa miresaka volabe amina miliara, ny taratasy hita teo amin’ny razana. Mpianaka niaraka maty hitan’ny mpitandro filaminana tao amina tokantrano iray teny Anosimasina, kaominina Itaosy, afakomaly maraina. […]
Harom-paosy : Enim-bavy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny vehivavy mpangarom-paosy miisa enina tratra tao Analavory. Nanararaotra andron’ny tsena, ny roa vavy ka nanao ny asa ratsiny. Nanao fanamiana sivily, nanara-maso teny amin’ ny manodidina ny tsena ny mpitandro filaminana ka nahatsikaritra ny fihetsik’ireo olon-dratsy miisa roa ireo. Tsy afa-nandà satria […]





