Namoy ny ainy vokatry ny sotasota natoan’ny olon-dratsy indray ny lehilahy iray 45 taona tamin’ny fokontany Ankimimasy, Ambarognabo Ampanihy Andrefana, ny faran’ny herinandro teo. Vatana mangatsiaka, novantanin’ny fianakavian’io raim-pianakaviana manana toe-tena varira io. Tsy nisy loha intsony ilay lasibatra nandritra ny fahitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra azy, tamin’io fotoana io. […]
Tranga
Fanaovana horonantsary mamoafady: Efa-mianaka karohin’ny polisy fatratra
Miha mitombo ny fanaovana sy fivarotana horontsary mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Namoahan’ny polisim-pirenena fikarohana mahakasika izany ny olona efa-mianaka, omaly. Nahitana mpivady sy ny zanany roa lahy. Loham-piampangana hanenjehana azy ireo ny fikambanana sy firaisana tsikombakomba amin’ny famokarana sy fivarotana horonantsary mamoafady amin’ny alalan’ny internet, izay ampiasana sy ahitana zaza […]
Nahatrarana fehezan-drongony an-jatony: Notanana vonjimaika am-ponja ireo roa lahy
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fahatrarana rongony 147 fehezana, tao Toamasina, ny 13 jona teo. Taorian’ny asa nataon’ny polisim-pirenena hiadiana amin’ny fiparihan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny faritra Atsinanana, voasambotra ny lehilahy miisa roa, ny 13 jona lasa teo. Efa mpivarotra rongony ireo olona ireo […]
Moto telo nifandona : Olona roa namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy
Nifandona tetsy Andraharo ny moto miisa telo, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Maty tsy tra-drano, nandritra izany, ny tovolahy iray anisan’ny namily ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Tsy tana koa ny ain’ilay tovolahy iray izay nentina avy aoriana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andraharo, ny […]
Nofitahin’ny rain-janany: Maty nokendain-dreniny ilay zaza roa volana
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny tovovavy iray 17 taona, namono nahafaty ny zanany vao 2 volana monja, teny amin’ny kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly. Notsindrominy tamin’ny hazo saingy tsy tapitr’aina, nokendainy sady nalentiny tao anaty rano io zaza io avy eo, araka ny fitantarany tamin’ireo olona nisambotra azy. Diso fanantenana tamin’ny rain’ilay rain-janany […]




