Tsy mety fa ! Tratra ireo mpamaky trano telo lahy tao amin’ny fokontany Nanganehana, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manjakandriana, omaly maraina. Tamin’ny 2 ora, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ka nandroba tsenakely iray izy telo lahy. Voaroba ny entana toy ny paty, bisiky, hatramin’ny voamaina. Nirifatra nandositra avy hatrany ireto farany rehefa […]
Tranga
Nirefodrefotra ny basy : Polisy iray naratra, jiolahy rotidrotiky ny bala
Nihorohoro vao maraina ny mponina teny Anosibe Mandrangobato sy ny manodidina, ny sabotsy teo. Nifampitifitra ny polisy sy ny jiolahy ka maty voatifitra ity farany. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Toy ny fanaony mahazatra, nanatanteraka fisafoana tany anaty elakela-tranon’ Anosibe ny polisy manao fanamiana sivily. Nandritra izany, nifanehatra […]
Fonjan’Antanimora : misy gadra nefa tsy voasoratra anaty kahie
Nidina tampoka teny amin’ny fonjan’Antanimora ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, afakomaly. Hita tamin’izany ny lesoka eo amin’ny fanoratana ny gadra anatin’ny kahie mirakitra ny anaran’izy ireo. Tonga nanamarina tampoka ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny fonjan’Antanimora ny mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Niaraka tamin’ny delegasiona avy […]
Asan-jiolahy : maty voatsatok’antsy ilay tompona moto
Olona efatra notanana am-ponja vonjimaika noho ny famonoana tompona moto iray tao Behenjy, afakomaly. Avy aty an-dRenivohitra, niaraka tamin’ny namany iray hafa ilay lasibatra. Tsy lavitra ny tanànan’i Behenjy, niampy iray ny naman’izy ireo ka niaraka nisotrosotro. Tampoka, niafara tamin’ny tsatok’antsy natao tamin’ilay tompona moto ny fiarahana. Naratra mafy ity […]
Lehilahy nifampitadiavana : hita faty teny amoron-dranomasina
Nokarohina nanomboka ny faran’ny volana mey teo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambatomahavelo, kaominina Manambondro, distrikan’i Vangaindrano. Nilomano niaraka tamin’ireo namany izy rehefa nitsangantsangana teo amin’io toerana io, ny alatsinainy 29 mey. Nivoaka ny rano, nilaza hitanin’andro kanefa tsy hita intsony ny nalehany. Samy variana tamin’ny nataony ny manodidina ka tsy […]