Tranga

Fonjan’Antanimora : misy gadra nefa tsy voasoratra anaty kahie

Nidina tampoka teny amin’ny fonjan’Antanimora ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, afakomaly. Hita tamin’izany ny lesoka eo amin’ny fanoratana ny gadra anatin’ny kahie mirakitra ny anaran’izy ireo. Tonga nanamarina tampoka ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny fonjan’Antanimora ny mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana. Nia­raka tamin’ny delegasiona avy […]

Asan-jiolahy : maty voatsatok’antsy ilay tompona moto

Olona efatra notanana am-ponja vonjimaika noho ny famonoana tompona mo­to iray tao Behenjy, afakomaly. Avy aty an-dReni­vohitra, niaraka tamin’ny namany iray hafa ilay lasibatra. Tsy lavitra ny tanànan’i Behenjy, niampy iray ny naman’izy ireo ka niaraka nisotrosotro. Tampoka, niafara tamin’ny tsatok’antsy natao tamin’ilay tompona moto ny fiarahana. Naratra mafy ity […]

Lehilahy nifampitadiavana : hita faty teny amoron-dranomasina

Nokarohina nanomboka ny faran’ny volana mey teo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambatomahavelo, kaominina Manambondro, distrikan’i Vangaindrano. Ni­lo­mano niaraka tamin’ireo na­many izy rehefa nitsangan­tsangana teo amin’io toerana io, ny alatsinainy 29 mey. Nivoaka ny rano, nilaza hitanin’andro kanefa tsy hita in­tsony ny nalehany. Samy variana tamin’ny nataony ny manodidina ka tsy […]

Filaminam-bahoaka : 255 ireo jiolahy maty voatifitry ny polisy

An-jatony ireo efa lavo saingy tsy mitsaha-mitombo hatrany ireo jiolahy mpanao ratsy manerana ny Nosy amin’izao fotoana. Nisongadina tao an­atin’ny tatitra mom­ba ny asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana eo anivon’ ny minisiteran’ny Filami­nam-bahoaka, ny taona 2019 – 2023, ny ezaka manoloana ny fandriampahalemana. Ho an’ny polisim-pirenena, ho fanatanterahana ny […]

Fanalam-baraka tamin’ny “Facebook” : hanokatra fanadihadiana ny zandary

Niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, ny fisiana resaka an-tsoratra tamin’ny finday niparitaka nifanaovana vehivavy sy zandary iray. Voalaza ho tsy nahazo ilay tovovavy ilay lehilahy ka nanao vava taminy. “Miasa any amin’ny toerana tsy misy “réseau” iny zandary voalaza anaty tambajotran-tserasera iny ka tsy azo inoana ny fahamarinan’ilay tranga”, […]