Tranga

Dahalo raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i Fidel kely

Maty lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Tsiroanimandidy, i Fidel kely, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nahazo antso avy amin’ny mponina any an-toerana ny zandary fa misy dahalo 15 lahy mitondra basy mandalo ny kizo any Borikely, fokontany Vohimasina, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrika Tsiroanimandidy talohan’io tranga io. […]

Entana halatra tetsy Behoririka: 11 voasambotry sy nosamborina

Nanomboka ny 5 febroary lasa teo, tafakatra 11 ireo olona voarihorohy sy voasambotra tamin’ilay halatra entana solosaina 37 sy bisikileta elektrika tetsy Behoririka. Voasambotra omaly ny 8 tamin’izy ireo. Niampy valo indray ireo mpandray entana tsy ara-dalàna tamin’ilay halatra entana: bisikileta elektrika sy solosaina 37 tao amin’ny tranombarotra informatika iray […]

Mahavoasazy : Voarara ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila

Mahavoasazy ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila. Betsaka loatra ny jiolahy mampiasa ireny akanjo ireny, entiny hanaovany ny asa ratsy ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Emmo-nat, omaly. Hisy, araka izany, ny fisavana sy fanaraha-maso eny rehetra eny manomboka izao, raha ny fanazavana voaray. « Hatramin’ny […]

Fanapoizinana tamin’ny sakafo : 41 mianaka narary tany amin’ny mariazy

Niara-naiditra hopitaly ny olona 41 mianaka, omaly. Voapoizina tamin’ny sakafo izy ireo, tamin’ny sabotsy lasa teo. Avy namonjy fiaraha-misakafo tamin’ny toerana fandraisana lanonana iray. Olona 41, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaliben’i Tambohobe-Fianarantsoa, nanomboka omaly. Niara-nifety sy na­monjy lanonana fampiakaram-bady tany amin’ny trano fandraisana lanonana iray tany Antsororonkavo Maha­ma­nina izy ireo, ny […]