Nandrika ny ra tetsy Andohatapenaka. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny ann-toerana, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora. Niseho teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be, eo amin’ny hopitaly manara-penitra ny loza. Lehilahy iray nitondra moto no naratra mafy voahitsaky ny fiara, zotra 159, teny an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny […]
Tranga
Dahalo am-polony nitam-piadiana nanafika : Zaza mainty dimy maty voatifitra, takalonaina iray avotra
Notafihan’ny dahalo ny tanàna tao amin’ny kaominina Mahazomà ny alin’ny alahady teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo. Vokany, maty voatifitry ny olon-dratsy ny zaza mainty dimy. Takalonaina iray avotra soamantsara. Zaza mainty dimy lavon’ny olon-dratsy ka nanara-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao amin’ny […]
Ahina ho nodorana : May ny Rovan’ Ambohidratrimo
Lasa lavenona avokoa ireo tranomanara miisa telo, hany sisa nijoro nihazona ny lazan’ny Rovan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alahady 26 avrily, tamin’ny 11 ora. « Mpiambina no miandraikitra io toerana io saingy tsy miasa alina izy », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo. Efa nihidy ny vavahady tao amin’io toerana manan-tantara io, […]
Tranga hafahafa : Ankizivavy 50 isa voan’ny ambalavelona
Ankizivavy manodidina ny 50 isa nitrangana aretina hafahafa toy ny ambalavelona tany Mahajanga, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Mpianatra eo anivon’ny sekolim-pinoana iray any an-toerana izy ireo. Nitabataba, nitsipatsipaka ary nitomany ireo ankizy lasibatra ireo. Niafara tamin’ny fahasemporana sy fahatoranana mihitsy izany avy eo, raha ny fanazavana voaray […]
Ambodihady-Ambohimanarina: Voaroba ny 73 tapitrisa Ar, miaramila dimy voasambotra
Tra-tehaka ireo miaramila dimy lahy sy ny sivily valo mpiray tsikombakomba mpanao fanafihana mitam-piadiana. Nandroba volabe 73 tapitrisa Ar, teny Ambodihady izy ireo tamin’ny 20 avrily, lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, olon-tsotra miisa valo sy miaramila dimy no efa voasambotra hatramin’izao fotoana izao. […]




