Nanararaotra nivarotra rongony ireto mpivarotra sakafo masaka tao Belambanana Andoharanofotsy, omaly. Nifanotofana rahateo ny fividianana sakafo teny an-toerana satria fety ny andro. Tsy vitan’ny sakafo ihany anefa no namidin’izy ireo fa nivarotra rongony ihany koa. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, mody mividy sakafo ny mpifoka rongony […]
Tranga
Arivonimamo : jiolahy efa-dahy maty rotiky ny bala
Nandroba vola 4 tapitrisa Ariary! Lavon’ny zandary ireo jiolahy efa-dahy nanafika tao amin’ny tanànan’Andranomiely – Arivonimamo, ny 7 avrily teo. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano, nitady vola sy ny fahana amin’ny telefaonina izy ireo. Fito lahy ny mpanafika ka tsy afa-nandà ny lasibatra. Natolony tsy fidiny an’ireo mpanao ratsy ny vola […]
Anosipatrana : fanafihana nitsefotra, jiolahy enina matin’ny polisy
Saika hanafika saingy tratra mialohan’ny fotoana. Jiolahy enina maty rotiky ny balan’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra, teny Anosipatrana, ny zoma alina. Nihorohoro ny mponina teny Anosipatrana sy ny manodidina ny zoma alina teo, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy. Tsy nifandrenesana ny poa-basy teny […]
67 ha : naiditra am-ponja Rasta mpanendaka
Naiditra am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana, afakomaly, Rasta jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha Avaratra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria, boriborintany fahafito (CSP7) izy, ny herinandro teo. Maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho lany amin’iny faritr’i 67 ha sy ny manodidina iny. Nandray fepetra […]
Nisandoka ho zandary : voasambotra i Sefo Fidy
Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Ivato, omaly. Nitondra ny anarana Sefo Fidy, nisoloky olona maro tamin’ny alalan’io fisandohana andraikitra io ity lehilahy ity. Angalany vola ireo olona ary milaza ho mahavita mandamina raharaham-pitsarana koa izy. Rehefa anantonan’ireo olona nandoa vola taminy izy andro vitsy taorian’ny […]