Tovolahy iray hita faty nisy namono tao Anjoma Toamasina, afakomaly. Tratran’ny ady tambabe nataona andian-jatovo izy ka nitarika ny fahafatesany… Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana, afakomaly. Tao Anjomba, tsy lavitra ny toeram-pilanonana iray, mifanakaiky amin’ny lalamby, no nahitana ny fatiny. Raha ny angom-baovao voaray, vonoan’olona […]
Tranga
Antsirabe : notanana am-ponja ilay mpangalatra moto
Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja ny mpangalatra moto iray tao Soanindrariny, kaominina Antsirabe II, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa lasan’ny olon-dratsy ny moto iray tao Miaramasoandro, ny 24 jolay teo. Voaray tamin’io fotoana io ny anaran’ny olona ahihina ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Nanao fikarohana avy […]
Lasa ny vola 400 000 Ar: mpanao Cash point norobain’ny jiolahy
Miseholany ny trangam-panafihana ataon’ny jiolahy mitam-piadiana ao Toamasina. Cash point iray indray lasibatra, omaly. Lasa ny vola sy telefaonina. Telo lahy nandroba Cash point tao Tanambao V, kaominina Toamasina, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Hanokatra ny toeram-piasany toy ny mahazatra, tsy nanampo na inona na inona ny ramatoa iray tompon-tsena. […]
Ambohibao: vehivavy naratra nodarohan’ny sakaizany
Saika namoy ny ainy mihitsy ilay tovovavy nodarohan’ny sakaizany tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Morondava, kaominina Ambohibao, ny alahady alina teo. Potika tanteraka ny tarehin’ilay tovovavy sady nihosindra tanteraka. Voalaza fa resaka hasarotam-piaro no nitarika ity sakaizany hanao herisetra tamin’io olon-tiany io. Henon’ny olona mpiray vodirindrina aminy ny herisetra nataon’ity tovolahy […]
Potika ny lohany: lehilahy maty nitifi-tena
Tsy fantatra ny zava-nisy marina nahatonga ny tovolahy iray nitifi-tena, omaly. Basy efa nirefodrefotra no nanaitra ny mpiray tanàna. Ny basin-drainy no namonoany tena. Nandriaka ny ra, lehilahy 18 taona maty nitifitra ny tenany tamin’ny basy tao Ambatoafo, distrikan’i Sambava, ny 19 aogositra teo. Nijanona irery tao amin’ny trano fonenany […]




