Fatim-behivavy mitsirara hitan’ny fokonolona tao Ambohimanga, fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpanao biriky iray teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra olona nitsirara tao anaty kirihitra tao an-kady. Hatairana, nikoropaka niantso ny mponina manodidina avy hatrany io lehilahy io. Nojerena, fatim-behivavy ity nisy nanary ity. Nidina ifotony nanao […]
Tranga
Zava-mahadomelina : 10 lahy nahatrarana rongony 15 gony
Olona miisa folo mpitatitra rongony hihazo an’i Manakara voasambotry ny zandarimaria tao Vohimasy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny kaomandin’ny tobim-paritra momba ny fisian’ireo olona mitondra zava-mahadomelina ireo. Voasambotra tao amin’ny fokontany Ambalaroka Belahala, kaominina Tovona, distrikan’i Farafangana ny olona efatra. Rongony milanja 82 kilao nafatratra tao anaty gony. Nentina namonjy ny […]
Famonoana an’i Marimoutou Frédéric: ampolony ireo teratany vahiny nohadihadiana
Maty nihosin-dra tao Morafeno Toamasina, afakomaly, i Marimoutou Frédéric, teratany frantsay novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana. Notapahan’izy ireo ny tendany. Noraisin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ao Tanamakoa Toamasina ny momba ilay raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Marimoutou Frédéric, teratany frantsay 61 taona. Hita faty nitsirara […]
Ambohimangakely: mpanendaka fito lahy voasambotra
Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy miisa fito mpanao asa ratsy eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Efa misy intelo nifonja ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Manendaka sady mamaky trano eny amin’ireo kaominina manodidina izy. Manao fanafihana mitam-piadiana, mamaky fiara sy manendaka eny amin’ny toerana mangingina, toy ny eny Ambohibe, kaominina Ilafy, […]
Lozam-pifamoivoizana : lehilahy maty voahosin’ny kamiao
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 60 taona tao Ambohimahasoa, omaly maraina. Nijanona hisakafo, nametraka ny fiarabe teo amoron-dalana ny mpamily. Tsy tana tamin’ny alalan’ny kaly tampoka io kamiao io ka nifaoka trano maromaro teo amin’ny sisin-dalana. Nifanindry an-dalana tamin’io fotoana io, tsy tafatsoaka ny fiara namantana tamin’ny tsena amoron-dalana […]




