Tranga

Lonilonim-piarahamonina : raim-pianakaviana voatsatoka antsy teo amin’ny masony

Saika namoy ny ainy ity raim-pianakaviana voatsatok’antsy ity. Nandritra ny lanonam-pianakaviana no niseho ny tranga tao Bezomo Maroseranana, afakomaly. Voatsatok’antsy teo amin’ny masony izy… Nandriaka indray ny ra tao amina lanonam-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Bezomo kaominina ambanivohitr’i Maro­sera­nana, afakomaly vao maraina. Naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny masony ny raim-pianakaviana […]

Lasa ny volabe 335 tapitrisa Ar : mpiasan’ny banky iray karohin’ny zandary

Tsy misy tandroka ny ratsy! Lasan’ny mpiasan’ny banky iray ao Ambovombe Androy ny volabe 335 tapitrisa Ar, afakomaly, araka ny tatitra nataon’ny Tale jeneralin’io banky io tamin’ny zandary ao an-toerana. Voalazan’ny fampitam-baovao fa ny 25 aogositra 2024 teo no niseho ny halatra nataon’io mpiasan’ny banky io. Tsy hita tampoka izay nanjavonany […]

Maroseranana: lehilahy maty voakapa famaky ny lohany

Hita novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tao Antevialabe, fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’i Maroseranana, ny alahady 25 aogositra lasa teo. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fetraomby momba ny fisian’ity raim-pianakaviana hita faty ity. Nidina haingana teny an-toerana ka voamarina tokoa izany. Nisy namono tao amin’ny […]

Ankadinondry : lehilahy matin’ny hamamoana tafahoatra

Lehilahy iray 40 taona eo ho eo no hita faty tao Trano vy, faritra Bejofo, fokontany Ankadinondry, afakomaly tolakandro. Tonga nampilaza tamin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ankadinondry ny sefo fokontany momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Nidina haingana teny an-toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritra niaraka tamin’ny […]