Saron’ny zandary teny Ambohimangakely, afakomaly, ireo tambajotrana mpangalatra moto anisan’ny tompon’antoka amina halatra eto an-drenivohitra. Nisy nangalatra teo amin’ny toerana nipetrahany, teo Bel’Air Ampandrana, afakomaly alina, ny moto miisa efatra. Nahavariana tamin’ity, samy niara-nanjavona ireo moto ireo. Taorian’ny fitarainana nataon’ny tompony, nanokatra fanadihadiana sy fikarohana avy hatrany ny zandary. Nisy […]
Tranga
Milaza fa marary ny zanany: Tratra ny ramatoa mpisoloky amin’ny facebook
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe ny renim-pianakaviana iray mpisoloky amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Lazainy fa marary ny zanany ka mangataka tolo-tanana izy… Noraisim-potsiny teny an-dalana hamonjy hopitaly fiterahana ao Foulpointe, omaly, ny renim-pianakaviana iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avo lenta anaty tambajotran-tserasera facebook. Misoloky nampiasa ny zanany salama […]
Niafina tany anaty fasana : maty voatifitry ny zandary i Lelin sy i Leja
Maty rotiky ny balan’ny zandary tao Foulpointe ny jiolahy roa fantatra amin’ny anarana hoe i Lelin sy i Leja, raindahiny amin’ny fanafihana. Nisitrika tao anaty fasana cimetière ireto jiolahy ireto mialoha ny hanao fanafihana. Teo am-piomankomanana ny hanao ny asa ratsiny ry zalahy no nisy nahatsikaritra tao amin’io fasana io. […]
Naiditra am-ponja: Jiolahy nanafika mpivarotra saribao
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny 21 aogositra 2024 lasa teo, ireo jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana mpivarotra saribao teny Ambohimanarina. Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) no nisahana ny fanenjehana ireto jiolahy ireto. Nanafika toeram-pivarotana saribao teny […]
Lozam-pifamoivoizana: fiara nirimorimo nitrongy trano
Notrongisin’ny fiara ny tranon’olona iray eo Soarano, ny zoma alina hifoha sabotsy teo. Noho ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Vokatry ny tandrevaka nataon’ny mpamily no nahatonga ny loza satria tsy voafehiny intsony ny familiana noho ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra. Nifatratra tany amin’ilay trano fivarotana ny fiara sady tafahanika […]




