Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Mody nanao trosa vidina kisoa, naiditra etsy Antanimora vonjimaika ireo roa lahy nanaparitaka vola sandoka tao Ambohitrandriamanitra, distrika Manjakandriana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny olon-tsotra […]
Tranga
Maibahoaka Ivato : jiolahy nahatrarana basy roa sy bala
Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika roa tetsy Maibahoaka Ivato, afakomaly. Nahatsikaritra io lehilahy io naneho fihetsika hafahafa ny olona teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanao ny fanamarinam-baovao ireo farany. Sarona teny aminy tokoa ny basy poleta iray. Nahitana bala […]
Nahavita 96 050 000 Ar… : telo lahy tratra nanao vola sandoka
Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanamboarana vola sandoka tratra tao Mananjary, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary no nahasambotra azy ireo taorian’ny fikarohana. Niainga avy tamin’ny loharanom-baovao voarain’ny polisy no nahafantarana ny fisian’ireto olona ireto manamboatra vola sandoka ao Mananjary. […]
Halatra basy : tompon’antoka ny mpiandry fonja sy gadra
Mpiandry fonja telo sy voafonja telo indray naiditra am-ponja, afakomaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana momba ilay raharaha halatra basin’ny fonja ao Vavatenina. Nihanivoatra hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka nahazoana izao vokatra izao, taorian’ny famotorana rehetra. Basy Mas 36 efatra niaraka tamin’ny bala marobe tao amin’ny fonjan’i Vavatenina no […]
Trafika : sokatra 54 hita tao anaty kamiaobe
Voasambotry ny polisy tao Toliara, afakomaly ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko sokatra. Nahazo fampitam-baovao ny polisy miasa ao Ihorombe fa misy sokatra ataon’olona anaty gony feno saribao niainga avy any Toliara hoentina hiakatra aty an-drenivohitra. Nanao fanadihadiana ny polisy ka ny 2 avrily 2023 teo, voasakana teo […]