Namoy ny ainy vokatry ny hanoanana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. Tsy avotra intsony ny ainy! Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no hitan’ny fokonolona nitsirara tampoka tamin’ny arabe tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. […]
Tranga
Ankadimbahoaka: jiolahy roa lavon’ny polisin’ny Sag
Maty voatifitry ny polisy eo anivon’ny Sag, ny jiolahy miisa roa tetsy Ankadimbahoaka, afakomaly hariva. Nivezivezy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy, izay efa nitondra fitaovam-piadiana. Nihaodihaody tsy lavitra ny foiben’ny vondron’orinasa matanjaka iray eny an-toerana izy ireo. Nanatona hisambotra azy ireo ny polisim-pirenena saingy nanda izany ireo jiolahy. Tsy nanaiky […]
Iavoloha: efa-dahy nahatrarana rongony 920 kg
Tratry ny vela-pandriky ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny efa-dahy nitondra rongony 920 kg teo Iavoloha, distrika Atsimondrano, afakomaly. Misava eny anivon’ny lalam-pirenena, fiara miisa roa avy any Toliara voasakana. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiky ny lehilahy efa-dahy. Nosavaina, nahitana zava-mahadomelina nilanja 49 gony teny amin’izy ireo. Efa […]
Niady telefaonina : lehilahy maty, voadaroky ny zandriny
Voan’ny totohondry mafy teo amin’ny tenda, namoy ny ainy ny lehilahy iray vokatry ny daroka nataon’ny rahalahiny azy. Nosamborina ity farany. Nosamborin’ny zandarimaria, afakomaly, ny lehilahy iray voarohirohy ho namono nahafaty ny rahalahiny, iray kibo aminy, tao amin’ny kaominina Ambatomainty, faritra Melaky. Namoy ny ainy ny 12 aogositra lasa teo, […]
Fanafihana : roa lahy lehiben’ny dahalo voasambotra
Dahalo roa lahy tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao Evato, anatin’ny kaominina Vohilengo, distrikan’i Farafangana, ny 13 aogositra teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’i Betaikaomby, ny alin’ny 19 jolay tamin’ny 11 ora alina. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nanao ramatahora ny tompon-trano, nandratra olona tao amin’ny tokantrano lasibatra izy […]




