Ifampitadiavan’ny polisy ao Toamasina ireto tontakely roa lahy fantatra amin’ny anarana hoe Gervais 12 taona sy Wawa, 13 taona, malaza ratsy amin’ny famakiana tranon’olona, ireto. Samy monina ao Ambosaina Toamasina II izy roa lahy ireo. Niditra an-keriny tao an-tokontanin’olona izy roa lahy, nangalatra gisa sy izay azo nobataina, kanjo voarain’ny […]
Tranga
Menabe: mitohy ny fikarohana ireo basy mahery vaika
Mitohy ny asa fikarohana ataon’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Menabe, tarihin’ny Kly Faneva, amin’ny fikarohana ireo basy mahery vaika eny ampelatanan’ireo malaso. Fantatra fa fitaovam-piadiana mahery vaika no any am-pelatanan’ireo dahalo, efa an-taonany maro, ao anatin’ny faritra Menabe. Basy Mas 36 roa mbola vaovao sady mandeha tsara na dia efa […]
Saika hanohitra Polisy: Jiolahy voatifitry !
Lavon’ny balan’ny polisin’ny Sag teny Anosibe, afakomaly hariva, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana. Teo am-pikasana hanohitra ireo polisy izy no maty voatifitra… Nirefotra indray ny basy teny Anosibe, afakomaly hariva, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Sag. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana ity lavon’ny […]
Lozam-pifamoivoizana : raim-pianakaviana maty voafaokan’ny fiara
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 40 taona voadonan’ny fiara teny Ankorondrano, ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny 8 ora sy fahefany. Niampita arabe, tsy nahita ny fiara nandalo tampoka io lehilahy io. Tetsy ankilany, nandeha mafy ilay fiara marika starex. Vokany, voadona izy ka nitsirara tamin’ny tany. Niezaka nanavotra ireo […]
Morondava : tokantrano ampolony ravan’ny afo
Hotohoton’ny afo ny tokantrano maherin’ny 10 tao Ampasimopera, fokontany Morondava Centre, omaly tamin’ny 11 ora maraina. Niainga avy amin’ny afo nandrahoana sakafon-kisoa ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy anefa ny afo, nahazo ny trano fonenan’ny mponina manodidina. Nifamonjena navoaka ny entana sy izay rehefa azo navotana. […]




