Tranga

Nendran-drajako : nahitana tranga iray tao Maorisy

Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamana maorisianina, omaly, fa nahitana tranga voalohany “Mpox” any amin’ny Nosy Maorisy. Teratany Nizeriana 49 taona no fantatra fa voan’izany, raha ny vaovao navoakany hatrany. Nampidirina hopitaly avy hatrany any amin’ny hopitaly Port-Louis izy. “Tsy misy ahina ny toe-pahasalamany”, hoy hatrany ny fanambaran’ny mini­sitra. Nohamafisina avy hatrany ny […]

Tsy nisy lela sy voamaso: lehilahy hita faty tao an-tranony

Hita faty tsy nisy lela sy voamaso ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano fonenany, tao Ambodiampanga, fokontany Antanetibe, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly maraina. Nipetra-drery io lehilahy io. Niaraka nisakafo tamin’ny olona mpifanerasera aminy izy ny alin’ny sabotsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nivoaka ny trano intsony izy ity ka nampa­nahy ireo manodidina. […]

RN2 : lozam-piarakodia, olona iray maty

Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), omaly tamin’ny 6 ora maraina. Taksiborosy iray avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina no nifandona tamina fiara 4×4 iray. Tao amin’ny fokontany Ankatrokatroka Andrika, PK 88+60, no nitrangana ny loza. Vokany, olona iray maty raha iray hafa kosa naratra mafy, […]

Raiki-tahotra foana… : vehivavy voaendaka teo Ampefiloha

Mihorohoro tanteraka! Izay no azo ilazana ny renim-pianakaviana iray niharan’ny herisetran-jiolahy teny Ampe­fi­loha, ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora. Teo amin’ny lalana mitsofoka mankany Anosy izy no nendahin’ny jiolahy. Araka ny fanazavan’ity renim-pianakaviana ity, variana nifampiresaka tamin’olona tao anaty finday izy sady mandeha ihany amin’iny lalana mihazo an’Anosy iny. Tampo­ka teo, […]

Andilamena : dahalo roa lahy maty voatifitra

Dahalo roa lavon’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Berorefo, kaominina Andilamena, ny alin’ny alahady 27 oktobra lasa teo. Naharay fampitam-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa noroasin’ny dahalo ny omby ka mandalo ny tanàna ao Ambodifamelona izy ireo. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy avy hatrany ny zandary. Nitondra […]