Namoy ny ainy, vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ny mpitondra moto iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Analafasika, kaominina Agnavoho, distrikan’Ampanihy-Andrefana, afakomaly. Nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tamin’io lalana io ity mpitondra moto ity. Nivoa-dra ka nikiry nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana ny nanatri-maso. Tsy tana minitra vitsy taorian’ny loza […]
Tranga
Fifampitifirana mahery vaika: zandary naratra, dahalo iray maty
Lasibatry ny asan-dahalo tato ho ato ny mpitandro filaminana mihatrana an-kianja. Naratra mafy voan’ny tifitry ny olon-dratsy ny zandary iray tao amin’ny distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naratra voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana ny zandary GC1 iray tao Ambalihabe, fokontany Androtra, kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Nanao fanarahan-dia ny dahalo ikoizana, […]
Zava-mahadomelina : telo lahy nahatrarana rongony roa gony
Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny telo lahy nitondra rongony roa gony tao amin’ny fokontany Tsimavaokely, kaominina Morondava, ny 13 aogositra teo. Nentina tao anatina Tuc tuc, nosakanan’ny polisy ny lehilahy iray niaraka tamin’ny mpamily. Nahitana gony miisa roa tao anatin’io fitaovam-pitaterana io. Nitsoaka avy hatrany anefa […]
Efa nahazo volabe : notanana am-ponja ilay mpisoloky
Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy iray nisoloky vola an-tapitrisany, afakomaly. Nisandoka ho olom-panjakana, nanambaka olona maro tamin’ny alalan’ny kaonty facebook, ity lehilahy ity. Tsy vitan’io, nisy tamin’ireo lasibatra nalainy baraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo. Nahazo vola maherin’ny 20 tapitrisa Ar tamin’io asa ratsiny io izy. Rahonany ireo voasoloky […]
Namono nahafaty ny vadiny : teratany vahiny naiditra eny Tsiafahy
Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny teratany vahiny iray, afakomaly. Notsatohany antsy ny vadiny tao Anjomakely. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray ahina ho namono nahafaty ny vadiny tao Anjomakely, kaominina Bongatsara, ny 10 aogositra teo tamin’ny 10 ora alina. Nitabataba sy nanakorontana ny mpiara-monina io […]




