Tafaverina soa aman-tsara an-tanety, omaly, ireo tantsambo 18 rendrika an-dranomasina tany amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles, ny 25 avrily 2023. Sambo Seychelois Saya de Malha no nanavotra azy ireo ka nafindra tamin’ny patrouilleur côtier MALAKY. Rendrika an-dranomasina tany amin’iny faritra iny ny botry nitondra ireto tantsambo ireto ka navotan’ny sambo mpiambina ny […]
Tranga
Nampihorohoro tao Antsirabe : maty rotiky ny balan’ny polisy i Betraina
Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Uir sy ny jiolahy tao Antsirabe, omaly. Maty voatifitra nandritra ity fifandonana ity ny jiolahy raindahiny fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Betraina. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana efa fanta-daza sy mampihorohoro ny mponin’Antsirabe Rasolonjatovo Hasina Nantenaina na i Betraina. Nahazo […]
Halatra volam-bahoaka : fito mian-dahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana, afakomaly, nidoboka am-ponja vonjimaika ireo mpiasa 7 eo anivon’ny Trésorerie Principale Ambalavao. Voasaringotra tamin’ny fahaverezan’ny vola 400 tapitrisa Ar ireto mpiasa ireto. Tsy hita popoka io lelavola io ny marain’ny 17 avrily lasa teo. Tsy vaky anefa ny trano. Tsy nisy nanapitsoka ihany koa ny varavarana. Nisokatra ny […]
Herisetra feno habibiana: notondrahan-drangahy asidra ramatoa vadiny
Nokasain’ny raim-pianakaviana iray hotaperina ny aim-badiny. Notondrahany asidra ilay ramatoa. Mbola nodorany ka may ny ampahany tamin’ny vatany. Voasambotry ny zandary, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray. Nanondraka asidra ny vadiny izy. Nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Fiadanakely, kaominina Mahitsy. “Adin’ny mpivady toy ny mahazatra no niatombohan’izany”, hoy ny mpanao famotorana. “Nifamaly noho […]
Opération « Tselatra » : dahalo nahatrarana Kalack
Nahitam-bokany sahady ny hetsika « Tselatra » izay ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Tratran’ ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana (ZDS) Pangalana ny dahalo raindahiny nampitondra faisana ny mponina ao Andrebakely, fokontany Anjiro, kaominina Tanambao Besakay, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fandorana trano enina tao Faravohitra, ny 23 novambra 2023, ity […]