Nisitrika solosaina hampiasain’ny polisy amin’ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny zaza ny sampandraharaha ao amin’ny Firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fandikan-dalàna ONUDC, tetsy Anosy, afakomaly. Ny minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka, izay nanao ho laharam-pahamehana amin’io ady io. Nanamafy izany rahateo ny Contrôleur géneral de Police […]
Tranga
Nifanenjehan’ny fokonolona : roa lahy nangalatra kisoa voasambotra
Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy nilanja kisoa tamin’ny gony tao Antady, fokontany Tsenamasoandro, kaominina Imerintsiatosika, omaly. Vao maraina, nilanja zavatra tamin’ny gony ireo olona roa lahy ireo. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo saingy tsy afa-nanao na inona na inona ny olona nahita azy. Namikiviky niova lalana, noho izany, ireo mpangalatra. Nenjehin’ny […]
Sokatra VERY tetsy Tsimbazaza : eo am-pelatanan’ny zandary ireo ahina
Efa eo am-pelatanana sy efa arahi-mason’ny zandarimariam-pirenena mpanao famotorana ireo olona nahiana sy voarohirohy tamin’ny halatra sokatra, Pyxisarachnoides sy Artrochelysradiata, miisa 10, tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny alin’ny talata teo. Olona roa fara fahakeliny no fantatra fa efa voasambotra mahakasika izany. Niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana sy fitondrana alika mpitsongo-dia […]
Naman’ireo fito maty voatifitra : naiditra am-ponja ireo telo lahy azo sambo-belona
Naiditra am-ponja ao amin’ ny fonjaben’Ambalatavoahangy ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ ny fanafihana narahina halatra tao amin’ny distrikan’i Toamasina II, ny alatsinainy lasa teo. Naman’ireo jiolahy fito maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana tao an-toerana izy telo lahy ireto saingy tafaporitsaka. Nanao hazalambo azy ireo ny zandary […]
Nahazo 400 tapitrisa Ar : lehilahy iray nisandoka ho mpiara-mivavaka
Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy tao Morombe, omaly, ny lehilahy iray nisandoka fa mpivavaka ao amin’ny fiangonana Rhema Itaosy saingy tonga tany Morombe izy. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, niangavy ny Pastoran’ny Fiangonana Rhema tao an-toerana izy fa tsy manana toerana hivantanana. Nilaza izy fa manana […]





