Tonga nitsidika sy nizara traikefa tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, ny talata teo, ny Jly Ranjeva Marcel (efa misotro ronono). Nandray azy ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène. Nisy fifampizarana nataony tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra. Notsindriny manokana ny etika sy ny toe-tsaina maha manamboninahitra rehefa mivoaka ny sekoly. […]
Tranga
Fampiasana basy tsy ara-dalàna… : transitaire sy ny namany naiditra ao Ambalatavoahangy
Natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo, ny raharaha nahavoarohirohy mpandraharaha iray misahana fampidirana sy famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina “transitaire” sy ny namany iray hafa. Voasaringotra amina raharaha fandrahonana hamono tovovavy telo amin’ny alalan’ny tifitra variraraka izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana teo anivon’ny fampanoavana, samy naiditra am-ponja izy roa lahy. […]
Nanaparitaka vola sandoka : nidoboka am-ponja ilay tovolahy
Nanao petra-bola tao amina Cash point , tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nampiasa vola sandoka 8 alina Ar tao Moraranokely, Kaominina Ankazomiriotra-Antsirabe, ny 19 marsa teo. Ny 2 febroary, nanao petra-bola tao amin’ny Cash point iray ao an-toerana io lehilahy io. Efa lasa anefa izy, tsikaritry ny mpandray vola fa […]
Ankadimbahoaka : mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao
Namoa-doza ny kamiao iray nihazo ny fasan’ny karana, omaly. Lehilahy mpitondra bisikileta iray no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tao ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ankadimbahoaka, teo anoloan’ny orinasa iray teny an-toerana, omaly. Maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao tamin’izany ny lehilahy iray nitondra bisikileta. Kamiao lehibe iray […]
Ambatondrazaka : renim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny
Naratra teo amin’ny feny ny renim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alin’ny 28 marsa teo. Tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray . Nitady ny vola, nirefotra inefatra misesy ny basy. Raikitra ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka ireto farany. […]