Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray mpangala-bola anaty finday. Norobainy ny lelavola 9 000 000 Ar tao anaty kaontin’olona. Naiditra am-ponja vonjimaika izy. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka ana habaka “Cybercriminalité”, ny lehilahy iray mpangalatra vola anatin’ny puce, tetsy Behoririka, ny 25 oktobra teo. Tompona puce iray very nametraka fitarainana teny […]
Tranga
Antsirabe : tambajotra mpangalatra moto ravan’ny UIR
Notanana am-ponja ireo telo lahy anaty tambajotra mpangalatra moto tao Antsirabe, ny zoma 25 oktobra teo. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana momba ny fisiana tranga halatra moto miseholany ao an-toerana. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana eo anivon’ny UIR. Fantatra tamin’ny alalan’ ny fanadihadiana ny toerana misy ireo […]
Namontana : jiolahy maty voatifitry ny Sag
Nifanenjehan’ny Service Anti-Gang eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny Namontana, ny sabotsy 26 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io. Tsikaritry ny mponina eny an-toerana fa nitondra antsy lavalela izy tamin’io fotoana io. Ity farany izay […]
Zazavavy voatery naiditra hopitaly: nidoboka am-ponja ilay renikely namono azy
Niakatra fitsarana, naiditra any am-ponja, nahazo sazy mihatra herintaona, ilay vehivavy nidaroka ny zana-badiny tao Soahatsiadino, Fianarantsoa, ny zoma 25 oktobra teo. Nodarodarohan’ny renikeliny noho ny fisiana vola very tao an-trano ny zazavavy iray tao Fianarantsoa, ny 11 oktobra lasa teo. Niara-nipetraka amin’io sakaizan-drainy io ilay zaza. Nitrangana fahaverezam-bola anefa […]
Kaominina Alatsinainy Ambazaha : vehivavy maty main’ny herinaratra
Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy, main’ny herinaratra, vokatry ny fisiana andrin-jiro nianjera tamin’ny tany teny Atsimondrano, ny sabotsy tolakandro teo. Tandrevaka tanteraka no niteraka ny loza. Maty tsy tra-drano main’ny herinaratra mahatratra 350 volt ny renim-pianakaviana 30 taona teny amin’ny fokontany Anjanamanoro, kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan’Atsimondrano, ny tolakandron’ny sabotsy teo, […]





