Tranga

Ambohimangakely : mpangalatra efatra voasambotra

Ravan’ny zandarimaria sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsara sitrapo ny andian-jiolahy mpangalatra ireo akora ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana, teny Ambohimangakely, ny 10 aogositra teo. Valo lahy nitondra fiara sprinter, nanangona ireo fitaovana izay hanamboarana ny ivontoeram-pamokarana herinaratra miisa telo hanampiana ny filan’ny mponina eto an-dRenivohitra. Tariby an-jiro, vy sy […]

Naiditra am-ponja: jiolahy efatra nanolana mpianaka

Natolotra ny fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efa-dahy nanolana sady nandroba mpandraharaha iray sy ny zanany. Tratra teny Ankadikely Ilafy sy 67 Ha ireo olon-dratsy. Vaosambotry ny polisim-pirenena avy eo amin’ ny sampana heloka bevava sakelika voalohany (BC1), ny olon-dratsy efatra mirahalahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana niaro fandrobana, […]

Toamasina II : lavon’ny bala i Tombozara, jiolahy raindahiny

Jiolahy mpamerin-keloka sady tompon’antoka amin’ny fanafihana lavon’ny zandary tao Toamasina, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 10 minitra. Nokarohina hatry ny ela, anisan’ny hiampangana ity olon-dratsy atao hoe Tomb­ozara ity ny fanatanterahana fanafihana mitam-piadiana tao Anjahambe. Voasaringotra tamin’ny fanafihana nahavery vola 11 tapitrisa Ar tao amina tokantrano iray tao Amba­tondrazaka […]