Dahalo mirahalahy mpangalatra omby nifanenjehan’ny zandarimaria nandritra ny hazalambo tao Ambalasoaray, fokontany Maevarano, kaomininina Mahasolo, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy ireo. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana ka nanetsika ireo vatan-dehilahy hanidy ny kizo ahina handosiran’ireo tsy valahara. Nirondra fitaovam-piadiana rahateo ireo mpandroba ka nanao sarotra ny […]
Tranga
Toamasina : notafihin’ny jiolahy ny tranona zandary sy polisy
Tsy mifidy intsony ! Izay no azo iantsoana ny fihetsiky ny jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Voalohany tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tokantranona polisy iray no novakian’ny jiolahy. Varavaramby ny tranony kanefa sahin’ireo olon-dratsy no namaky izany. Nahavariana tamin’ity raharaha ity, navelan’ireo olon-dratsy teo ivelan’ny trano […]
Vonoan’olona : olona fito naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ireo fito lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana teny Imerinkasinina, kaominina Anjeva Gara. Tao Ambalanirana no nitranga ity raharaha vonoan’olona ity, ny 17 oktobra 2024 lasa teo. Nokapain’ireo malaso ny hatony ka nitarika ny fahafatesany. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana, olona fito […]
Dépôt – Toamasina : tratran’ny polisy ireo zatovo mpifoka rongony
Manao izay ho afany amin’ny famongorana ireo tambajotrana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao Toamasina ny polisim-pirenena. Mitsofoka manerana ny lalampasika rehetra. Tao anatin’izany no nahatsikaritra andian-jatovo mody mipetrapetraka eo amoron-dranomasina mifanila amin’ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Dépôt I, Toamasina ny polisy, ny talata teo. Nametraka paikady rahateo ireo mpitandro filaminana […]
Karohina ny lehibeny : telo vavy mpisoloky notanana am-ponja
Tafakatra telo ireo vehivavy notanana am-ponja, izay mpiray tsikombakomba amin’ny fisolokiana olona mandefa mpiasa any Canada, ny talata 22 oktobra teo. Olona fito anatin’ny fianakaviana iray nosolokian’ireo vehivavy ireo tamin’ny alalan’ny orinasa nampahafantarina anatin’ny tambajotran-tserasera. Nilaza ho mahavita mandefa olona hiasa any amin’ny firenena matanjaka any Amerika Avaratra izy ireo. […]





