Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao Ankirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voasambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy […]
Tranga
Antaninarenina : mirongatra ny fanendahana, tontakely roa voasambotra
Tratran’ny polisy, taorian’ny fifanenjehana teny Antaninarenina, omaly maraina, ny tontakely roa lahy malaza ratsy amin’ny harom-paosy. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nanatonan’ny olona iray tratran’ny harom-paosy. Nilaza izy fa teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisy nangarona ny paosiny ka lasan’ireo olon-dratsy ny findainy sy ny kara-panondrony niaraka tamin’ny vola. Nohamafisiny […]
Toamasina : Basy mahery vaika latsaka teny amin’ny jiolahy
Karazam-basy tsy mbola fampiasa eto ity hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny lalana mihazo an’i Mangarano, Toamasina I ity, ny alin’ ny zoma 14 avrily teo. Tamin’ny 8 ora sy sasany alina, raim-pianakaviana iray hamonjy fodiana nitondra moto no nosakanan’ny jiolahy roa lahy tao Ambalamanasy. Nitondra basy ireto olon-dratsy ka nanome […]
Ambovombe: tratra ireo malaso mpanafika sady mamono olona
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy, tao Ambondro, distrikan’Ambovombe, ny sabotsy teo, ireo dahalo fito voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vono olona. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo dahalo atidoha nikotrika ny famonoana an’i Manoanga tao Lamitihy, fokontany Ambondro, ireto dahalo ireto. Misy amin’izy ireo no […]
Antsirabe – RN7 : voamboana 14 nentina antsokosoko sarona
Saron’ny zandary nentina kamiao lehibe iray antsokosoko ny hazo sarobidy voamboana miisa 14, teo amin’ny Pk 176+200 , Vinaninkarena, Antsirabe, ny sabotsy 15 avrily teo. Nanararaotra ny andro maizina, nitondra ireto hazo sarobidy ireto ny kamiao lehibe izay mpitondra solika. Nafenin’ny mpamily tao anatin’ny kamiao ireo hazo. Efa nahazo loharanom-baovao […]