Tranga

Fanamboarana basy : lehilahy iray manana orinasa tsy ara-dalàna

Voasambotry ny polisy tao Tanambao SPM Maintirano, ny 16 oktobra 2024, teo ny lehilahy iray mpanamboatra basy sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo mpanao fanafihana amin’iny faritra Melaky iny. Manana orinasa fanamboarana ireny fitaovam-piadiana vita tanana ireny ity lehilahy ity. Niainga avy amina loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy ny momba ny […]

Tranga hafahafa eny an-tsekoly: mila mailo !

Mateti-piseho ny tranga hafahafa eny an-tsekoly: mitsipatsipaka sy torana ny mpianatra. Misy milaza fa ambalavelona. Ny sekoly sasany manamafy fa loza na hanoanana. Mila mailo sy mitandrina! Mpianatra miisa folo in­dray torana tetsy amin’ ny sekoly iray etsy Man­droseza, omaly maraina. “Fo­fona entona mahery no nitarika ny voina. Niparitaka vetivety […]

Raindahiny : dahalo iray lavon’ ny zandary

Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny dahalo raindahiny, tao amin’ny fokontany Ambohimiarina Tsaramandroso, distrikan’Ambatoboeny, omaly. Avy nanao fanafihana tokantrano, tao amin’ity fokontany ity, no nifanehatra tamin’ny zandary. Tao anatin’ny sakana nataon’ny zandary no nahalavo azy. Malaso efatra hafa kosa tafapori­tsaka na efa naratra voatifitra aza. Voalaza fa miaraka amin’ny […]

Tsy nahitana pasipaoro ny roa : Somalianina 15 tratra niondrana antsokosoko

Tratran’ny zandary tao Maromandia, distrikan’Analalava, ny alarobia teo, ireo teratany Somalianina mpiondrana antsokosoko mankany ivelany. Nisy tsy nanana pasipaoro izy ireo. Ny alin’ny alarobia teo, nahazo angom-baovao ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Maro­man­dia momba ny fisiana andian’olona tsy miteny gasy najanon’ny fiara tao Ambodi­manga, fokontany Marovato Atsimo, kaominina ambanivohitr’i […]

Namono zaza efa-taona : voasaringotra ny renikeliny

Nosamborin’ny zandarimaria ny vehivavy iray 23 taona voatondro ho namono ny zana-badiny ka tratra tao Soanafindra, fokontany Fe­noarivo, kaominina Belo­baka, ny 16 oktobra lasa teo. Naha­ray loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa zazalahy 4 taona maty tamin’ny fomba nampiahiahy ny fianakaviany tao amin’io kaominina io, ny 12 oktobra teo. Niara-nipetraka tamin’ilay […]