Noraisim-potsiny! Tratra teo am-panangonan’entana ireo jiolahy namaky tranon’olona tao Soamanandray, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny sabotsy vao maraina. Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka niditra antsokosoko ireto olon-dratsy. Efa-dahy ry zalahy no mpiaraka manao asa ratsy toy izao. Roa lahy nibata avy ao an-trano raha mandray izany eo an-tokotany kosa ny […]
Tranga
Taxi-be 119 nivadika : zaza 6 taona ny iray tamin’ireo telo maty
Potika tanteraka ny taxi-be 119 iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Telo mianaka niara-maty. Niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny zaza 6 taona, vehivavy iray sy ny mpamily tao amin’ny fokontany Andriambilany, distrikan’Ambatolampy, ny sabotsy 19 oktobra teo. Fianakaviana avokoa ireto nandeha fiara spécial ireto. Namonjy lanonana tany Antsirabe izy ireo ka […]
Nifanenjehan’ny olona : mpangalatra vomanga matin’ny fitsaram-bahoaka
Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray nangalatra vomanga teny an-tsaha, tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina ambanivohitr’i Besakoa, distrikan’i Bekily, ny alakamisy alina teo. Tratran’ny tompom-boly izy tamin’io alina io satria matetika very ny vomanga maniry eny an-tanimboly ka nahatonga azy nanara-maso ireo mpangalatra ahina ho tompon’antoka amin’izany. Nanohitra sady nikasa hamono […]
Nanapa-doha : mpampianatra iray maty voatifitry ny zandary
Rotiky ny balan’ny zandary ny mpampianatra iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapahan-dohana mpampivelona tao Nosilava Farafangana, ny alakamisy teo. Nentiny ny lohan’ity renim-pianakaviana ity raha najanony ny vatany… Lavon’ny balan’ny zandary tao Nosilava Ambohimandroso, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy teo, ny mpampianatra mpanampy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. […]
Nampandohalihana ny tompon-trano : norobain’ny jiolahy ny vola 140 tapitrisa Ar
Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy efatra nisaron-tava mitam-piadiana mahery vaika tao Dépôt Bazaribe Toamasina, omaly tolakandro. Notafihin’ny jiolahy ny tranombarotra mpamongady iray tao an-toerana. Araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fanafihana, vola mitotaly 140 tapitrisa Ar niampy vola mbola tsy voaisa anatina fitoeram-bola ary volan’ireo mpanjifa mividy entana tao amin’ilay mpamongady no […]





