Tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo, ny renim-pianakaviana sy ny zanany vao herintaona. Hita faty natsingevan’ny honahona tao Ifarihy, kaominina Andoharanofotsy, omaly, tamin’ny 4 ora tolakandro ireto mpianaka ireto. Handeha hanasa lamba no nialany, izay nitondra ny zanany tamin’io andron’ny alatsinainy 18 novambra io. Talanjona ny fianakaviany satria tsy nody […]
Tranga
Famonoana ben’ny Tanàna : Sivily 33 sy miaramila dimy notsaraina
Niakatra fitsarana, omaly, ny olona 33 mianadahy, voarohirohy tamin’ny famonoana ben’ny Tanàna tao Andranomiely, ny 7 janoary 2024. Miaramila niasa tany an-toerana ny dimy. Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Ankazobe ny fitsarana ilay raharaha nahafatesana ny ben’ny Tanànan’Andranomiely. Miisa 38 ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ahitana miaramila dimy amin’ireto […]
Namaky trano : roa lahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja ireo jiolahy roa lahy mpamaky trano tratra tao amin’ny fokontany Ambohitradala, kaominina Andilamena, omaly. Avy nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena nanao fisafoana alina izy roa lahy ireo, ny 17 novambra lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Navesatra satria nitondra ireo entana avy nangalariny, nosakanan’ny […]
Famonoana sy fanolanana: Voasaringotra ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona
Tsy afa-bela amin’ny raharaha fahafatesan’ny zazavavy 6 taona ny zanaky ny rahalahin-drainy. Hiakatra fitsarana ao Fianarantsoa, anio, ny lehilahy iray voatondro ho nahavanon-doza ka nahavitra namono ny anabaviny. Tsy olon-kafa mantsy, zanaky ny rahalahin-drainy ihany ilay zazavavy enin-taona niharan’ny fanolanana niaro vono olona. Nampiahiahy ny fianakavian’ny lasibatra ny fihetsik’io tovolahy […]
Marotsipoy : Basy Mas 36 azon’ ny zandary
Isan’ireo manamboninahitra nitarika mpitandro filaminana nandritra ny hetsika opération coup de poing tany amin’ny distrikan’Ankazobe, Marotsipoy ary Anjozorobe ireo manamboninahitra avy ao amin’ny andiany faha-48 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Hetsika nentina niadiana sy namongorana ny fakana an-keriny eny ambanivohitra izany. Vokatra azon’izy ireo tamin’izany ny basy Mas 36 iray […]