Olona valo, nahitana lehilahy enina sy vehivavy roa, voasambotry ny polisy teo anelanelan’ny 17 sy 22 avrily 2026. Voarohirohy amin’ny resaka halatra sy fivarotana kaontera jiro mora sy fisandohana ho mpiasan’ny Jirama izy ireo. Naharay fitarainana maro mahakasika ny halatra sy ny fisian’ireo tambajotra mitety tokantrano mangalatra kaonterana Jirama eny […]
Tranga
Namono olona roa tao Ampangabe mahitsy: Maty voatifitra i Bengilo, jiolahy raindahiny
Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao Ampangabe, namoy ny ainy, rehefa nikasa handositra zandary, ny jiolahy tompon’antoka iray antsoina hoe i Bengilo. Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao Vorodamba, kaominina Mahitsy, ny alatsinainy 21 avrily, tamin’ny 9 ora alina. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana […]
Asan- jiolahy ao Toamasina : Lavon’ny balan’ny polisy i Coco
Ela nitoratorahana ka lavon’ny balan’ny polisy tao Tanambao Verrerie i Pascaud Edvin, fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe Ra-Coco, 32 taona. Tovolahy vao erotrerony saingy efa mpamerin-keloka. Raha iverenana ny zava-nitranga, natory tany amin’ny tranon- drainy ao Tanambao Verrerie izy ny alahady 19 avrily teo. Reraky ny torimaso izy, araka […]
Ambohibao-Antehiroka: Voasambotra ireo efa-dahy nangalatra moto
Niara-voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, ireo mpiasa efa-dahy nangalatra moto an’ny mpampiasa azy, tao Ambohibao, afakomaly. Niasa tao amina orinasa iray ireo efatra mirahalahy ireo. Nametrahan’ny mpampiasa fitokisana izy ireo ka samy niandraikitra moto iray avy isanisany. Tsy naverin’ireo olona tao amin’ny orinasa intsony anefa ny moto […]
Roa andro nokarohina: Lehilahy hita faty natsingevan’ny rano
Natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Ampanoavamatso-Morarano, kaominina Mahavelona, distrikan’ Ankazobe, ny lehilahy iray, ny alatsinainy 20 avrily teo. Niaraka tamin’ny namany telo lahy izy, ny sabotsy 18 avrily teo, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Samy avy niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato izy efatra ireo ka nikasa hamonjy fodiana any amin’ny vady […]




