Tranga

Silivy 15, zandary iray voasambotra ; Amidy 400 tapitrisa Ar ny mason’ny varira iray

Nahitam-bokatra ny iraka nataon’ny mpiambina manokana ny filohan’ny Fanavaozana tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. 15 lahy sy zandary iray voasambotra. Ahina ho tompon’antoka amin’ny fakana mason’ny zaza varira. Voalaza fa amidy 400 tapitrisa Ar izany. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fisian’ny mpivarotra ma­son’olona varira, tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betro­ka. Manoloana izany, nanirika […]

voaroba ny 4 tapitrisa AR : Tsenam-barotra iray notafihan’ny jiolahy

Notafihan’ny andian-jiolahy miisa enina, ny tsenam-ba­rotra iray tetsy Ambato­lampy Antehiroka, ny harivan’ny alahady 2 aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo. Mbola teo am-pivarotana ny mpivarotra tao amin’ny tsena no tonga tampoka ireo jiolahy. Niditra tao an-tsena sy nanambana tamin’ny antsy, ny telo tamin’ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny […]

Sekoly voaroba tao Andakana : Mpiasa iray naiditra am-ponja

Niaiky heloka, nitoroka ny toerana nandevenany ny vata fitahirizam-bola « coffre-fort » ny mpiasa iray tao amin’ny sekoly niharan’ny fandrobana teny Andakana, distrikan’Am­bohidratrimo, ny 1 jolay teo. Efa nanao teti-dratsy hangalarana tao amin’io toeram-piasany io ity olona voasambotra ity. Nalainy ny solosaina niampy ny lelavola mitetina 10 tapitrisa Ar. Niroso tamin’ny fanadihadiana […]

Anosizato : Vehivavy iray hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa

Nahitana fatim-behivavy iray, sahabo ho 30 taona teo ho eo, tetsy amin’ny reninaranon’Ikopa Anosizato, afakomaly ta­min’ny 1 ora sy 30 minitra. Tsikaritry ny olona teny amin’ny manodidina natsingevan’ny rano tao anaty tsikafona teny amin’ny tetezan’ny Anosizato ny razana. Nitangorona nitazana sy nijery izany ny mponina, vantany vao nahita ny tranga. […]