Naratra mafy, namoy ny ainy, omaly maraina, ny iray tamin’ireo olona roa naratra voatafika tetsy Ambohimanambola, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Namoy ny ainy, omaly maraina, vokatry ny daroka nataon’ireo jiolahy ny raim-pianakaviana iray tompon-trano voatafika tao Ambohipeno ny alin’ny zoma teo. Tokantrano roa nifanao ambony ambany no indray […]
Tranga
Hetsika « Tselatra » : lavo i Rostely, dahalo raindahiny
Rotiky ny balan’ny miaramila, avy ao amin’ny 3ème Compagnie d’infanterie Etrotroka, ny dahalo raindahiny atao hoe Rostely, tao amin’ny fokontany Ambohimirafy, kaominina Ambohimandroso, afakomaly. Anatin’ny hetsika « Tselatra » ataon’ny Tafika eo anivon’ireo fari-piarovana rehetra manerana ny Nosy ity nahalavoana an’i Rostely ity. Niampy ny isan’ny mpitandro filaminana naparitaka eny an-kianja. Manao […]
Nifandona tamin’ny kamiao : maty ny mpamilin’ilay 4X4
Raim-pianakaviana efa lehibe 84 taona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Antanandava, kaominina Faralana, anatin’ny RN5a, omaly tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana avy any Antalaha nikasa hihazo an’i Sambava ity tra-doza ity. “Tsy salama ny mpamily io fiara tsy mataho-dalana io”, hoy ny zandary lehiben’ ny vondron-tobim-pileovana […]
Sinto-mahery : mpangalatra dimy lahy voasambotra
Nanaovan’ny polisy paikady, indray voasambotra ireo efa-dahy mpangalatra kojakojan’ny fiara eny amin’iny faritr’i 67 ha « Cenam » iny, omaly. Mampitaraina ny mponina ny fahaverezan’ny fitaovana anatin’ny fiara mipetraka eny an-toerana. Nanao fisafoana teny an-toerana, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be fokontany, Antetezana afovoany I, ny lehilahy iray. […]
Ambatondrazaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Miseholany amin’ny faritra maro ny fitsaram-bahoaka. Ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma, jiolahy iray indray no notaperin’ny fokonolona ny ainy, tao Ambatondrazaka. Niharan’ny hatezeram-bahoaka, potiky ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny fokonolona ny jiolahy iray tamin’ireo dimy nanafika tao Menaloha, kaominina Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka, afakomaly. Dimy lahy ireo olon-dratsy no nanafika tokantranona […]