Taorian’ny naharavan’ny polisin’ny Fip ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina, ireo mpianatra indray no iharan’ny herisetra ataon’ireo olon-dratsy. Mihorohoro manoloana izany ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny alarobia tolakandro teo, nandritra ny fotoana firavan’ny mpianatra, teo amin’ny rond-point Tanamakoa Toamasina, nisy andian-jatovo maromaro naka an-keriny ny kitapon’ny mpianatra. Lasan’ireo mpandroba […]
Tranga
Andranomadio : lehilahy iray tratra teo am-pivarotana cocaïne
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina (cocaïne) tao amin’ny fokontany Andranomadio, Plle 11/43 Toamasina, ny talata teo. Taorian’ny angom-baovao voarain’ny zandary, voamarina tokoa ny toerana misy ity jiolahy ity. Niroso tamin’ny fisavana ny trano misy azy ny zandary. Nandritra izany no nahatrarana cocaïne milanja 10 grama fa […]
Iray maty, telo naratra: fiara nilatsaka tanaty hantsana
Olona roa niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Lehilahy iray teny Imerinkasinina, vehivavy teratany vahiny tetsy Tsarasaotra. Telo maratra, manaraka fitsaboana hatramin’ny omaly. Maty tsy tra-drano ny tovolahy vao erotrerony ary telo mianadahy naratra mafy teny Imerinkasinina, ny harivan’ny alarobia teo, tamin’ny 4 ora tolakandro. Niaraka samy mpinamana ireo tanora efatra mianadahy. “Nahita […]
Antoetra : taolam-paty marobe hita tao anaty gony
Nahitana gony feno taolam-paty tao Ambatolahy fokontany Antoetra distrikan’ Ambositra, omaly tolakandro. Mpianatra avy nirava nianatra no nampandre ireo zandary mpanao fisafoana momba ny fisian’ireto taolam-paty marobe tanaty gony ireto. Nidina ifotony niaraka tamin’ny polisim-bohitra sy ny sefo fokontany niaraka tamin’ny fokonolona vitsivitsy ny zandary. Voamarina tokoa ny fisian’ireo gony […]
Bonarabe 67ha : tratra ireo andian-jiolahy mpanendaka
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha, omaly, ireo andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra sy ny fanendahana amin’iny faritra iny. Lehilahy iray no tonga nanao fitarainana tao amin’ny biraon’ny polisy (CSP7) 67 ha. Nitaraina fa niharan’ny halatra nataon’ireo olon-dratsy nitondra sabatra teo Bonarabe 67ha Avaratra […]





