Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ireo dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hivarotra moto tsy misy taratasy teny amin’iny faritra Talatamaty iny ry zalahy. Efa nahazo angom-baovao mialoha anefa ny zandary ka nametraka ny paikady rehetra hahafahana […]
Tranga
Nandriaka ny ra… : raim-pianakaviana maty voahitsaky ny kamiaobe nitondra vato
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Antanandava-Toamasina, sampanana mivily mankany amin’ny Lycée faharoa, omaly. Raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta nipoitra avy any amin’ny sampanan-dalana handray ny RN2 no maty voatrongin’ny kamiaobe mpitatitra fasika sy vato. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, niforitra mihitsy ilay bisikileta nandehanany. Efa ao amin’ny fokontany 11/58 Ankirihiry ny […]
Fivadiham-pitokisana : mpifankatia nangalatra vola 20 tapitrisa Ar
Nalain’ny mpanampy an-trano an-tsokosoko ny fanalahidin’ny tranon’ny mpampiasa azy teo aloha, tetsy Soamanandrariny, ary nangalariny ny vola 20 tapitrisa Ar ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Nilaza hanambady ity tovovavy mpanampy ity ka niala tao amin’io trano niasany io ny janoary teo. Nentin’ny fahatokisana, tsy nanova ny fitoeran’ny fanalahidin’ny trano ireo […]
Fandriampahalemana : hamongotra ny asan-jiolahy ny hetsika « Tselatra »
Nosantarina ao amin’ireo ZDS dimy voasokajy ho faritra mena ny hetsika “Tselatra” ataon’ny Tafika, anatin’ny volana maromaro. Sorohana anatin’io fotoana io ny tranga tsy fandriampahalemana rehetra hahafahan’ny vahoaka mivelona am-pilaminana. Nanomboka roa herinandro, am-perinasa ary hamongotra ny jiolahy sy ireo manohintohina ny fandriampahalemana ny hetsika “Tselatra” ataon’ny eo anivon’ny Tafika, […]
Avy nitifitra tompon-trano : dahalo iray maty voatifitry ny polisy
Tokantrano iray niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Soahevana, fokontany Soafandry, kaominina ambanivohitr’Anjoma, distrikan’i Manandriana, afakomaly maraina. Nanohitra ireo mpanafika anefa ny tompon-trano ka norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka, maty tsy tra-drano. Nitsoaka ireo dahalo ka tsy nahazo na inona na inona tao amin’ity trano notafihina ity. Nanao fanarahan-dia […]