Tranga

Ambodin’Isotry : Jiolahy voatifitra, saika hamono polisy

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray saika hamira polisy tamin’ny zava-maranitra. Tetsy Ambodin’Isotry no nisehoan’izany, afakomaly alina. Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP 4, ny jiolahy iray nanafika Cash point tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro Ambodin’Isotry, afakomaly hariva. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ireto mpitandro filaminana teny amin’ny faritra EPP […]

Ambohidahy Ankadindramamy : Fanafihan-jiolahy ravan’ny tompon-trano

Telo lahy nikasa hanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Am­bohidahy Ankadin­dramamy, Antananarivo V, ny alin’ny 30 janoary teo, tamin’ny 8 ora alina. Nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray, ren’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra vantany nahatazana ireo mpandroba. Nikoropaka, tsy nahavanona ny […]

Ady tany ao Nosy Be : Mpitsara sy mpisolovava voasaringotra

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny teratany vahiny voalaza ho tompon’ny tany misy fotodrafitrasa maromaro ao Nosy Be Hell-ville sy ny tambajotra voalaza ho mpisoloky nikasa hangalatra tany. Miara-miasa amin’ny mpitsara iray ao an-toerana sy naka mpisolovava tao ihany, namorona taratasy nahafahany mandray ny fitantanana ny orinasa rehetra anatin’io tany voalaza […]

Mpanakalo vola vahiny : Lehilahy iray notifirin’ny jiolahy teo Analakely

Maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo sy mpikirakira vola vahiny, omaly. Tompon’antoka ny jiolahy miisa fito tsy nisaron-tava. Jiolahy fito tsy nisaron-tava ireo nanafika tao amin’ny tsenan’ity raim-pianakaviana ity tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 mn maraina, tetsy amin’ny pavillon Analakely. Niditra tao an-tsena ireo jiolahy efatra […]

Zazakely iray maty… : Taksiborosy nifatratra tamin’ny kamiaobe

Nampahonena ! Nitran­gana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) tao Anjiajia, fokontany Marotaolana, kaominina ambanivohitr’An­tsi­fabositra, distrikan’i Maeva­tanàna, PK 266+600, omaly. Taksiborosy iray avy any An­tsirabe hihazo an’i Mahajanga no tratran’ny olana tao amin’ny hisatra (frein) ka tsy nahatazona ilay fiara. Nandeha mafy anefa ny fiara tamin’io fotoana io. […]