Tranga

Ambohibao – Antehiroka : fatin-dehilahy hita teo am-baravaram-pasana

Hita faty teo am-baravaram-pasana ny lehilahy iray tsy manan-kialofana, omaly, teny Morondava Antehiroka. Notrobarana tamin’ny zava-maranitra ny tendany sy ny lohany. Nahitana fatin-dehilahy iray, 45 taona, teo am-bavahadim-pasana iray, tetsy amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimia­dana, fokontany Morondava, kaominina ambanivohitra An­te­hiroka, distrikan’Ambohi­dratrimo, oma­ly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Mpo­nina […]

Bemasoandro Atsimondrano: Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Tsy nanao aroloha, nandeha mafy, nidona tamin’ny sarety notarihin’omby, ny lehilahy iray nitondra kodiaran-droa teny Ankadilalana, kaominina Bemasoandro, dis­trikan’Antananarivo Atsimon­drano, omaly maraina tamin’ ny 4 ora sy sasany. Nizotra avy amin’ny lalan’Ampasika io mpitondra moto marika Kymco G6 io, araka ny fanazavana avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Nifanoha-dalana taminy kosa ny sarety […]

Ambohimanatrika Tanjombato : Nahitana fatin-jaza tsy nisy lohany

Nihoron-koditra ny mponin’i Tanjombato, omaly. Nisy nanary teny Ambohimanatrika ny vatana mangatsiakan’ny zazakely iray. Nihoson-dra sy tsy nisy lohany ny razana. Tsy nisy loha intsony sady mbola niosin-dra ny tendan’ny zaza hita faty teny Ampamoloana, fokontany Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato, omaly maraina. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa teny an-dalana ny mpianatra hamonjy sekoly […]

Niady tamin’ny olon-tiany; Vehivavy mpianatry ny Oniversite nisotro asidra iray litatra

Nitelina asidra efa ho iray litatra, nifamonjen’ny fokonolona sy ny mpitsabo ny vehivavy iray tao Andranomadio parisela 11/44, Toamasina, ny sabotsy 6 jona tamin’ny 9 ora maraina. Nahare olona nitaraina sy nitomany tao amin’ny tokantrano iray ny mpiray vodirindrina ka nijery ny zava-nisy. Vehivavy mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite io nanandrana […]