Tranga

Niady tamin’ny olon-tiany; Vehivavy mpianatry ny Oniversite nisotro asidra iray litatra

Nitelina asidra efa ho iray litatra, nifamonjen’ny fokonolona sy ny mpitsabo ny vehivavy iray tao Andranomadio parisela 11/44, Toamasina, ny sabotsy 6 jona tamin’ny 9 ora maraina. Nahare olona nitaraina sy nitomany tao amin’ny tokantrano iray ny mpiray vodirindrina ka nijery ny zava-nisy. Vehivavy mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite io nanandrana […]

Ampasapito : Jiolahy dimy voasambotra

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io […]

Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra

Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]

Norobain’ny jiolahy mitam-basy: Lasa ny vola an-tapitrisa, ramatoa iray naratra

Nandrasan’ny jiolahy dimy manao saron-tava sady mitam-piadiana teo an-tokotany ny mpianakavy avy nitety tsena naka vola, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Hidina ny fiara nitondra azy, tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpivarotra tao anatin’ny fiara avy nanangona vola teny an-tsena ireo. […]