Lehilahy miisa roa avy ao Anteninambo, fokontany Sandrangato, kaominina Roraly Ambodilazana, saron’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Toamasina, afakomaly 26 jolay 2026. Nahatrarana vola sandoka mitentina 3 405 000 Ariary teny amin’izy ireo. Nahitana 20 000 Ar miisa 54 sy 5 000Ar 465 isa ireo vola tsy tena izy. Tratra teny amin’izy ireo […]
Tranga
Tovolahy maty voatifitra ; Saika nodoran’ny olona ny biraon’ny polisy
Nikasa hanimba ny biraon’ny kaomisaria tao Ambohimahasoa ny vahoaka, omaly. Tezitra noho ny fahafatesan’ny tovolahy voatifitra izy ireo. Andaniny, voalaza fa saika hamaky trano ity maty. Ankilany, notifirin’ny polisy mamo izy. Nidina an-dalambe nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ary nanao sakan-dalana ny mponina any Ambohimahasoa, omaly. Nirohotra nihazo ny biraon’ny […]
Fiarabe sy moto nifandona : Mpivady niara-maty notetezin’ny kodiarana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly tamin’ny 02 ora sy 40 minitra tolakandro. Nifandona mafy teo amin’ny sampanan-dalana mivily mankany Ambatovy sy lalana migodana Tanandava ny moto sy ny fiarabe. Noho ny hamafin’ny fifandonana, nipitika avy teny ambony moto ireo mpivady ka nitrosona mafy tamin’ny arabe, avy […]
Alasora : Dahalo miisa 8 nanafika tranombarotra iray
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohidrazaka, Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly alina. Jiolahy manodidina ny 5 hatramin’ny 8 teo ireo tonga nanafika tranombarotra mpamongady iray teny an-toerana. Mirongo fitaovam-piadiana toy ny basimborona sy antsy ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ireo nandritra izany. Tao anaty haizina tanteraka […]
Famonoana an’i Sahala : Mpifankatia sy lehilahy roa nanatanteraka ny sorona
Fantatra fa mpifankatia no niara-namono an’i Sahala. Niray tsikombakomba taminy ny lehilahy roa hafa. Nirahin’ny mpimasy iray izy ireo ary nokaramaina nitady zazavavy atao sorona ka i Sahala no tojo azy ireo. Taorian’ny filazan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël, fa maty natao sorona i Sahala Fanekena, zazavavy 14 […]





